Mofon’aina – Alakamisy 09 martsa 2017

17 Koa izao no lazaiko sady ambarako ao amin’ ny Tompo: ny tsy mba handehananareo intsony tahaka ny fandehan’ ny jentilisa amin’ ny fahafoanan’ ny sainy;18 fa efa tonga maizin-tsaina sy olon-ko azy amin’ ny fiainan’ Andriamanitra ireny noho ny tsi-fahalalana ao anatiny, noho ny hamafin’ ny fony,19 dia olona tsy mahalala henatra intsony ka nanolo-tena ho amin’ ny fijejojejoana hanao izay fahalotoana rehetra amin’ ny fieremana.20 Fa ianareo kosa, dia tsy mba toy izany no nianaranareo an’ i Kristy,21 raha Izy tokoa no renareo ka tao aminy no nampianarana anareo, araka ny fahamarinana izay ao amin’ i Jesoa,22 mba hialanareo ny toetrareo taloha araka ny fitondran-tenanareo fahiny, izay mihasimba araka ny filan’ ny fitaka;23 fa mba hohavaozina kosa ianareo amin’ ny fanahin’ ny sainareo,24 ary mba hotafinareo ny toetra vaovao, izay noforonina araka an’ Andriamanitra amin’ ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana.25 Koa esory ny lainga, ka samia milaza ny marina amin’ ny namany avy hianareo rehetra; fa samy isan’ ny momba ny tenan’ ny namantsika avokoa isika.26 Tezera, fa aza manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.27 Aza manome fitoerana ho an’ ny devoly.28 Aoka izay nangalatra tsy hangalatra intsony; fa aleo hikely aina ka hiasa izay tsara amin’ ny tànany, mba hisy homeny izay tsy manana.29 Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay tokony hanaovana, mba hahazoan’ ny mihaino fahasoavana.30 Ary aza mampalahelo ny Fanahy Masin’ Andriamanitra, Izay nanisiana tombo-kase anareo ho amin’ ny andro fanavotana.31 Esory aminareo ny fo-lentika rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy ary ny lolompo rehetra;32 ary aoka samy halemy fanahy amin’ ny namany avy ianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’ Andriamanitra ny helokareo ao amin’ i Kristy.
EFESIANA 4 :17-32

NY MPANARA-DIA NY TOMPO

Paoly Apostoly no mananatra ny mpino fa tsy mitovy ny toe-panahin’ny olona nihaona tamin’i Kristy, nampianarany ny Filazantsara sy ny toe-panahin’ny olona tsy mahalala ny Filazantsara. Taomina handini-tena noho izany ny mpino.

1-Mandray fananarana

Samy manana ny toetrany ny olona tsirairay araka ny tontolo nitaizana sy nanabeazana azy. Rehefa nampianarina ny amin’I Jesoa Kristy kosa anefa dia tokony mandray fanapahankevitra hiaina mifanaraka amin’ny fampianarana natolotra azy. Tsy mijanona ho fahalalana ny fianarana fa mitondra ho amin’ny fanapahan-kevitra hiditra amin’ny fifandraisana lalina amin’I Jesoa Kristy. Meteza ianao handray ny fananarana avy amin’ny Tenin’ Andriamanitra fa mahasoa anao izany.

2-Miaina amin’ny fiainana vaovao

Rehefa noraisin’ny mpino ny fampianarana sy ny fananarana avy amin’ny Filazantsaran’I Jesoa Kristy dia miova ny toe-piainan’ny olona. Miala tanteraka amin’ny toetra ratsy, toetra tsy araka ny sitrapon’ Andriamanitra fa mandray sy mitafy kosa toe-panahy, toe-tsaina vaovao mifanaraka amin’ny Filazantsara. Miova tanteraka ny tontolom-piainana sy ny fitondrantena. Aoka ianao mba hanaiky hohavaozin’ny Tenin’ Andriamanitra nampianarina anao.

Fanontaniana:

Nahoana no misy olona milaza fa kristiana kanefa mbola manana toe-panahy sy fitondrantena tsy mifanaraka amin’ny Filazantsara?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !