Mofon’aina – ALAKAMISY 09 NOVAMBRA 2017

17 Ry rahalahy, aoka samy hanahaka ahy ianareo, ka diniho izay mandeha tahaka ny anananareo anay ho marika.18 Fa maro no mandeha, izay efa nolazaiko taminareo matetika, sady mbola lazaiko aminareo amin’ ny fitomaniana koa ankehitriny, fa fahavalon’ ny hazo fijalian’ i Kristy ireny;19 fahaverezana no hiafarany, ny kibony no andriamaniny, ny fahamenarany no voninahiny, fa misaina ny amin’ ny tany izy.20 Fa ny fanjakantsika dia any an-danitra, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia Jesoa Kristy Tompo,21 Izay hanova ny tenan’ ny fietren-tenantsika ka hitovy endrika amin’ ny tenan’ ny voninahiny, araka ny fiàsan’ ny heriny, izay ahaizany hampanaiky ny zavatra rehetra ho Azy.
FILIPIANA 3 :17-21

FANTARO  ILAY MPAMONJY

Tsy takona  afenina fa na eto  amin’ny firenentsika aza dia  misy ny mitonon-tena  ho i Jesoa Kristy. Tsy mahagaga  izany fa efa  nambaran’ny Soratra Masina  rahateo  (Mat 24 :5). Fantaro  avy  amin’ny fanambaran’ny Soratra Masina  anefa  Ilay tena Mpamonjy  andrasana.

1-Ny Anarany 

Jesoa Kristy  no maha-izy  azy ny olona  iray  ny anarany. Andriamanitra no Mpamonjy  no hevitry  ny Anarana  hoe: Jesoa. Ilay  voahosotra kosa no dikan’ny hoe: Kristy. I Jesoa  , Ilay zanaka  lahitokan’ Andriamanitra , naterak’i  Maria  virjina  no hany  tokana  voahosotr’ Andriamanitra  hamonjy   izao tontolo izao  tamin’ny nahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana .

2-Ny fiaviany

Avy any an-danitra  Izy. Mazava  ny fanambaran’ny Soratra Masina. Avy any an-danitra  no iandrasantsika Mpamonjy   mba hahitan’izao tontolo izao  Azy (cf Apo 1 :7) Izany  dia midika  fa tsy  misy  afa-tsy  i Jesoa  niakatra  ho any an-danitra ihany   no hidina  indray amin’ny andro farany .

3-Izay  ho ataony 

Hitondra  fanovana. Voalohany  indrindra amin’izany  ny hanovany ny tenantsika  sy ny toetsika  hanana  voninahitra mitovy amin’ny Azy mba hahafahantsika miara-belona sy mitoetra  miaraka  Aminy  mandrakizay (Jao 14 :1-3).

Fanontaniana

Mahafeno  ireo  fepetra  ireo  ve  izay  mitonon-tena  fa i Jesoa  Kristy ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !