MOFON’AINA ALAKAMISY 09 SEPTAMBRA 2021

26 Fa ianareo rehetra dia zanak’ Andriamanitra amin’ ny finoana an’ i Kristy Jesoa.27 Fa na iza na iza ianareo no natao batisa ho an’ i Kristy dia nitafy an’ i Kristy.28 Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany hianareo rehetra ao amin’ i Kristy Jesoa.29 Fa raha an’ i Kristy ianareo, dia taranak’ i Abrahama sy mpandova araka ny teny fikasana.
GALATIANA 3 :26-29

NA IZA NA IZA NO NATAO BATISA HO AN’I KRTISTY DIA :

1-Mitafy an’i Kristy

Hatrany am-piandohana, rehefa nandika ny didin’Andriamanitra Adama sy Eva dia nahatsiaro nitanjaka ka nanjaitra ravin’aviavy nataony sikina izy ireo (Gen 3 :7). « Ary i Jehovah Andriamanitra nanao akanjo hoditra ho an’i Adama sy ny vadiny ka nampiakanjo azy » (Gen 3 :7). Io akanjo hoditra izay nalaina avy amin’ny hoditry ny ondry io dia taratr’i Jesoa Kristy , Ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao (Jao 1 :29). Ny fanaovana batisa àry dia ahafahana mitafy an’i Kristy. Ampirisihana amin’izany ny mpianakavin’ny finoana araka ny voasoratra hoe : « Fa itafio Jesoa Kristy Tompo , ary aza miahy ny nofo hahatanteraka ny filàny  »( Rom 13 :14)

2-Mpandova araka ny teny fikasana

Nifamatotra tamin’ny baiko momba ny famorana ny fanekena nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama (Gen 17 :10) .Aty amin’ny fanekena vaovao dia ny batisa izay famorana tsy natao-tànana (Kol 2 :11). Io indray no taratry ny fanekena vaovao eo amin’Andriamanitra sy ny olony. Amin’izany , izay atao batisa ho an’i Kristy dia misitraka ihany koa ny teny fikasana nomen’Andriamanitra an’i Abrahama , mpandova araka ny teny fikasana toy ny fitahiana , taranaka ary famirapiratana . Ny olom-baovao tahaka an’i Zakaiosy izay miroso amin’ny safidy tsara dia ambaran’i Jesoa hoe : « Izy dia zanak’Abrahama koa » (Lio 19 :9). Ny fandovana ny fiainana mandrakizay dia isan’ny valisoa ho an’ny mpino araka ny teny fikasana.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.