Mofon’aina – ALAKAMISY 10 AOGOSITRA 2017

43 Dia nomen’ i Jehovah ny Isiraely ny tany rehetra izay efa nianianany homena ny razany; ary nandova izany izy ireo ka nonina teo,44 Dia nomen’ i Jehovah fitsaharana amin’ ny manodidina izy, araka izay rehetra nianiananany tamin’ ny razany, ka tsy nisy lehilahy tamin’ ny fahavalony rehetra nahajanona teo anoloany; fa natolotr’ i Jehovah teo an-tànany avokoa ny fahavalony rehetra.45 Tsy nisy latsaka na dia kely akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nolazain’ i Jehovah tamin’ ny taranak’ Isiraely; fa tanteraka avokoa izany rehetra izany.
JOSOA 21 :43-45

Mahatoky  amin’ny fanekeny Andriamanitra. Koa notanterahiny izay nianiananany  tamin ‘i Abrahama. Zava-tsoa telo loha no notanterahin’ny Tompo  tamin’ny Zanak’Israely

1-Nomeny  ny tany lova (and 43)

Ny Gen 21.7 no nianianan’ Andriamanitra  fa hanome  ny tany Kanana ho an’ny Zanak’ Israely. Tafita  an’i Jordana izy ireo  ka afaka nisitraka izany tanteraka ary efa niroso  tamin’ny fizarana ny tany (tk 19). Manambara  fanamafisam-piaraha-miasa sy fifamatoram-piainana kokoa amin’ Andriamanitra sy ny vahoaka voafidy  izany.

2-Nomeny ny fandriampahalemana (and 44a)

Fandriam-pahalemana no andikan’ny DIEM ny hoe: « fitsaharana ». Any Kanana  no hahazoany izany,  araka  ny  Deo  12.9-10. Antsoina hoe: tanin’ny fitsaharana ho an’ny Z anak’ Israely ny tany Kanana. Taratry  ny finoana hita maso  sy mahavelom-panantenana ny fitsaharana  (tk 22).

3-Nomeny  ny fandresena (and 44b)

Na dia nanana tanjaka  sy ny heriny   rehetra aza ireo  mponina tao Kanana, dia zary lasa natahotra ny Zanak’ Israely  avokoa .Marina tamin’izy ireo fa tsy hisy olona hahajanona  eo anoloanao  amin’ny andro rehetra iainanao  (Jos 1 :5a). Nanjary  lasa firenena nanana ny fiandrianany   tanteraka  izy ireo. Nohamorain’ Andriamanitra  mihitsy  ny adin’ny Israely   .

Fanontaniana:

Nahoana ny mpino  no matetika tsy  mihazona ny fanekeny ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !