MOFON’AINA ALAKAMISY 10 JONA 2021

1 Raha mivoaka hanafika ny fahavalonao ianao ka mahita soavaly sy kalesy ary olona maro noho ianao, dia aza matahotra azy; fa Jehovah Andriamanitrao kosa, Izay nitondra anao niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta, no momba anao.2 Ary rehefa hanafika ianareo, dia hanatona ny mpisorona ka hiteny amin’ ny olona hoe:3 Mihainoa, ry Isiraely ô, fa efa hanafika ny fahavalonareo ianareo anio; koa aza ketraka ny fonareo ary aza matahotra, na mikorapaka foana, na mangorohoro noho ny tahotra azy;4 fa Jehovah Andriamanitrareo no miara-mandeha aminareo hiady ho anareo amin’ ny fahavalonareo mba hamonjy anareo.5 Dia hiteny amin’ ny olona ireo mpifehy azy ka hanao hoe: Iza no olona izay efa nanao trano vaovao, nefa tsy mbola nitokanany? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao maty any amin’ ny ady, ka olon-kafa no hitokana ny tranony.6 Ary iza no olona izay efa nanao tanimboaloboka, nefa tsy mbola nihinana ny vokatra? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao maty any amin’ ny ady, ka olon-kafa no hihinana ny vokatra.7 Ary iza no olona izay efa nifofo vady, nefa tsy mbola nampakatra azy? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao maty any amin’ ny ady, ka olon-kafa no hampakatra ny vadiny.8 Ary mbola hiteny amin’ ny olona ihany ny mpifehy azy ka hanao hoe: Iza no olona izay matahotra ka osa fo? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao ho ketraka tahaka ny fony koa ny fon’ ny rahalahiny.9 Ary rehefa vitan’ ny mpifehy vahoaka ny teny ataony amin’ ny olona, dia hasiany mpifehy ny miaramila hitarika azy.
DEOTERONOMIA 20 :1-9

FOMBA HO ENTI-MANDRESY AMIN’NY ADY

Toromarika sy torolàlana nomen’i Mosesy ny zanak’Israely ity mofonaina ity. Toromarika ho enti-mandresy ny fahavalo amin’ny ady. Raha te-handresy amin’ny ady dia mila :

1-Mahatsiaro fa an’Andriamanitra ny ady (and 1)

Na maro toy ny ahoana aza ny fahavalo, na matanjaka toy ny ahoana aza, rehefa Andriamanitra no miady ho antsika dia tsy hisy maharesy antsika. Nampahatsiahivin’i Mosesy ny zanak’Israely izany. Mbola marina mandraka androany izany. Aza miady irery, aoka hiara-dàlana amintsika amin’ny adintsika Andriamanitra dia handresy isika araka ny and 4 « fa Jehovah Andriamanitrareo no miara-mandeha aminareo hiady ho anareo amin’ny fahavalonareo mba hamonjy anareo ».

2-Mifampahery (and 2-4)

Ny adidin’ny mpisorona eto dia mampahery ny vahoaka amin’ny ady atrehany. Ilaina dia ilaina tokoa mantsy ny fampaherezana eo anatrehan’izay ady atrehana. Aza mba manadino ny mpampahery ny namana miatrika ady. Adidy maha- kristiana izany. Hafatr’i Jesoa tamin’i Petera izany : « ampaherezo ireo rahalahinao » (Lio 22 :32).

3-Mankato (and 5-9)

Ny fanarahana ny tenin’ny mpifehy eto no hampahomby tamin’ny ady. Tsy misaraka amin’ny fankatoavana ny fandresena amin’ny ady rehetra . Ny fanarahana tsara ny Tenin’ny Tompo no fomba mahomby indrindra ho enti-mandresy ny karazam-pahavalo rehetra. Efa nomen’i Jesoa ny toro-làlana ho enti- mandresy eto amin’izao tontolo izao .

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra