Mofon’aina – ALAKAMISY 11 JANOARY 2018

1 Avia, aoka isika hihoby ho an’ i Jehovah; Aoka isika hanao feo fifaliana ho an’ ny Vatolampy famonjena antsika.2 Aoka hankeo anatrehany amin’ ny fiderana isika; Aoka hanao feo fifaliana ho Azy amin’ ny fihirana isika.3 Fa Andriamanitra lehibe Jehovah, Ary Mpanjaka lehibe ambonin’ ny andriamanitra rehetra Izy.4 Eo an-tànany ny fitoerana lalina amin’ ny tany; Ary Azy ny tendrombohitra avo.5 Azy ny ranomasina, fa Izy no nanao azy; Ary ny tany maina dia noforonin’ ny tànany.
SALAMO 95 :1-5

MPANJAKA  LEHIBE NY ANDRIAMANINTSIKA

1-Andeha  hifampitaona  hanome voninahitra  Azy

Ny  teny   fanombohan’ny salamo,  ity  dia ny hoe : « Avia ». Teny  manatsika sy miantso  ary mitaona  ny hafa izany. Fanaon’ny mpivavaka  Israelita  ny  mitaona ny ankohonany  sy ny havana aman-tsakaiza hiara-mivavaka  any amin’ny Tempoly  amin’ny fotoana  hahatsapana  ny herin’ Andriamanitra   namonjy  sy nanafaka  azy  . Eo  no  miseho  ny fiantsoana  hoe: « Avia ». Raha  fantantsika  ny herin’Ilay  Andriamanintsika sy ny fahalehibiazany  , nahoana  no tsy taomina , na antsoina koa  ny ankohonantsika hidera hanompo  sy hanome voninahitra  Azy , ka hiara -mivavaka  any am-piangonana ? Misy  zanantsika  tsy voataonantsika , misy havantsika tsy  mbola nantsointsika . Andeha  isika hifampitaona  hanome voninahitra ny Tompo.

2-Andeha  haneho  fiombonana hanatona Azy 

Ny fahalehibiazan’ Andriamanitra  dia nofoanany   fa naka   ny endriky   ny  mpanompo  Izy .Amin’izay   dia Izy   no  manatona  antsika. ny tena mpivavaka  marina anefa  dia tsy  mila  vaniny  hiandry an’ Andriamanitra hanatona azy  hatrany  , fa manam-piniavana  hanatona an’ Andriamanitra   kosa  ary  mazava  ny  teny hoe: « Manatona an’Andriamanitra  dia hanatona  anareo Izy  » (Jak 4 :8). Jereo  fa mendrika halain-tahaka  ny tenin’ilay  mpino  eo amin’ny and 2 hoe: « aoka  hankeo  anatrehany   amin’ny fiderana  isika ». Isika  fa tsy  olon-tokana, na izahay   akory   aza. Isika  , dia izaho   izay   miantso  sy ianareo  no andeha hanatona  ny Tompo be voninahitra  sy hankeo  Aminy , satria  ilainy  hiombona  amin’ny fanompoana Azy isika izay mahalala  ny maha- Mpanjaka  lehibe Azy .

Fanontaniana:

Ahoana  ny mba  fitaomanao  ny ankohonanao  sy ny hafa?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !