MOFON’AINA ALAKAMISY 11 OKTOBRA 2018

6 Inona no ho entiko manatona an’ i Jehovah sy miondrika eo anatrehan’ Andriamanitra Izay any amin’ ny avo? Hanatona Azy mitondra fanatitra odorana sy ny ombilahy kely iray taona va aho? 7 Ho sitrak’ i Jehovah va ny ondrilahy arivoarivo, na renirano diloilo iray alina? Hanolotra ny lahimatoako noho ny fahadisoako va aho, na ny ateraky ny kiboko noho ny fahotan’ ny fanahiko? 8 Ry olombelona, efa naseho anao izay tsara sy izay ilain’ i Jehovah aminao, dia izao ihany: Ny hanao ny marina sy ny ho tia famindrampo ary ny hanaraka an’ Andriamanitrao amin’ ny fanetren-tena.
MIKA 6 : 6-8

TEO-PANAHY TAKIAN’ANDRIAMANITRA AMINAO

1 – Manolo-tena marina

Mitaona ny olona ho amin’ny fibebahana marina Andriamanitra. Toa te hanontany an’Andriamanitra ny amin’ny fihetsika sy ny tokony hataony ny olona. Mby ao antsaina ny hoe inona no fombam-pivavahana tokony hatao mba handraisana ny famindrapon’Andriamanitra ? Mazava tsara ny antso ataon’Andriamanitra. Tsy ny fombafombam-pivavahana no zava-dehibe fa ny fo mibebaka marina tokoa. Tsy ny fihetsika na ny fisehoana ivelany no takian’Andriamanitra fa ny fiainam-panahy manontolo vonona hanolontena marina ho Azy. Atolory marina ho an’Andriamanitra ny fiainana dia tsy ho voafatotry ny fombafombam-pivahanana intsony.


2 – Miaina araka an’Andriamanitra

Reheta manolo-tena marina ho an’Andriamanitra ny olona dia misv toe-panahy aterak’izany. Ny fifandraisana amin’ Andriamanitra dia mitondra toe-panahy vaovao, fiainana vaovao. Mazava tsara ny voalaza eto : «hanao ny marina sy ny ho tìa famindrampo ary ny hanaraka an’ Andriamanitrao amin’ny fanetrentena». Marina Andriamanitra, mpanao ny tsara Izy ka mila olona miaina amin’ny fahamarinana, mandresy ny faharatsiana. Rariny sy hitsiny eo anatrehan’Andriamanitra raha ny olona te- hibebaka marina, hiala amin’ny fahotana no mandray toe- panany vaovao ka miaina araka ny toe-panahy ao Aminy.

Fanontaniana:
Ahoana no ahafantarana ny tena olom-baovao ?

Ho an’Andriamanitra ireery ihany ny voninahitra.