Mofon’aina – Alakamisy 12 janoary 2017

26 Ary hanao fanekem-pihavanana ho azy Aho, ka ho fanekena mandrakizay eo aminy izany, ary hametraka sy hahamaro azy Aho sady hametraka ny fitoerako masina eo aminy mandrakizay.27 Ary ny tabernakeliko ho eo aminy; ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko.28 Ka dia ho fantatry ny jentilisa fa Izaho Jehovah no manamasina ny Isiraely amin’ ny isian’ ny fitoerako masina eo aminy mandrakizay.
EZEKIELA 37 :26-28

MANOME POROFO NY TOMPO FA MAHATOKY IZY

1-Fanekena hiara-monina amintsika mandrakizay

« Hanao fanekem-pihavanana ho azy aho, ka ho fanekena mandrakizay izany », hoy ny Tompo(and26). Ny fanekem-pihavanana dia fanekem-piaraha-monina, na dina ataon’ny Tompo amintsika fa hiara-monina amintsika Izy, sady hampiara-monina amintsika Izy sady hampiara-monina antsika amin’ny fandriampahalemana sy ny fifaliana. Tsy amin’ny ampaham-potoana fa ho mandrakizay. Noporofoiny izany tamin’ny nanomezany an’i Imanoela izay Jesoa tonga Andriamanitra eo anivontsika ary nohamafisiny tamin’ny teniny hoe: « Indro Aho momba anareo mandrakariva… » (Mat 28.20). Ny hoe: « momba » dia miaraka sy miandany ka tsy mamela ho irery. Fanekena mandrakizay izany.

2-Fanekena ho vavolombelona amin’ny Jentilisa

« Koa dia ho fantatry ny Jentilisa fa Izaho Jehovah no manamasina ny Israely amin’ny isian’ny fitoerako masina eo aminy mandrakizay » (and28). Ny fitoerana masina dia ny tabernakely, izay enti-milaza ny Tempoly aloha , ary taty aoriana , araka ny hevitra kristiana , dia enti-milaza an’i Jesoa Kristy miara-monina amintsika . Ny Fiangonana ny vatan’i Kristy. Koa raha miorina eto amintsika ny Fiangonana dia izany no vavolombelona milaza fa hafa sy miavaka ary masina ny Fiangonana amin’ny maha-vahoaka voafidy azy. Miavaka amin’ny Jentilisa isika, satria zary famantarana ny Fiangonana mijoro fa miaraka amintsika mandrakariva Ilay Andriamanintsika.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.Amen !