MOFON’AINA ALAKAMISY 12 NOVAMBRA 2020

Dia tahaka ny fandevon’ny afony tapa-kazo maina sy ny fampangotraky ny afo ny rano mba hampahafantatra ny fahavalonao ny anaranao ka hangovitra eo anoloanao ny jentilisa. Raha nanao zava-mahatahotra izay tsy nantenainay Ianao, dia nidina, ka nihorohoro* teo anoloanao ny tendrombohitra. Fa hatrizay hatrizay dia tsy mbola ren’ny olona, na nohenoiny, Na hitan’ny masony, Izay Andriamanitra miasa ho an’ny miandry Azy afa-tsy Ianao. [* Na: niempo] Mitsena* izay mifaly hanao ny marina Ianao, dia izay mahatsiaro Anao amin’ny lalanao; indro, Ianao dia tezitra, ary hita fa meloka** izahay; Hatramin’ny ela dia izany no toetray, ka dia hovonjena va? [* Na: Miantra, **Na: ary efa nanota] Fa samy efa tahaka ny olo-maloto izahay rehetra, ary tahaka ny lamba mihosin-drà ny fahamarinanay rehetra; Malazo tahaka ny ravina izahay rehetra, ary ny helokay mipaoka anay tahaka ny rivotra, Tsy misy miantso ny anaranao, na mifoha hifikitra aminao; fa efa nanafina ny tavanao taminay Ianao ka nandevona anay noho ny helokay. Fa ankehitriny, Jehovah o, rainay Ianao; izahay dia tanimanga, ary Ianao no mpanefy anay, ary asan’ny tananao izahay rehetra. Aza dia tezitra mafy loatra, Jehovah o. Ary aza dia mahatsiaro heloka mandrakizay; masina Ianao, tsinjovy, fa olonao izahay rehetra. Tonga efitra ireo tanànanao masina, Eny, tany lavavolo Ziona, ary efa lao Jerosalema. Ny tranonay masina sady mendrika, Izay nideran’ny razanay Anao, dia voadotry ny afo, ary rava ny zavatray mahafinaritra rehetra. Ary mbola mahatsindry fo amin’izany zavatra izany ihany va Ianao, Jehovah o? Hangina va Ianao ka hampahory anay mafy loatra?
ISAIA 64 :1-11

NY MINO MIANDRANDRA FAMONJENA

1-Mahatsiaro fa malemy

Izahay dia tanimanga, hoy i Isaia eto. Manambara fa tsinotsinona izy manoloana an’Andriamanitra , toy ny zavatra mora simba sy mora potika ihany . Izany hoe : tena feno fahalemena ny fiainany. Dia toy izany koa isika : olona malemy isika ka zava-bitika kely foana dia hamotika antsika ary hiverina ho amin’ny vovoka isika. Ny tsy hahazoan’ny olona famonjena dia ny tsy fahaizany manetry tena eo anoloan’Andriamanitra. Adinontsika fa olona mora mivily amin’ny fahotana isika . Toe-tsaina iray angatahan’ny Tompo amintsika ny fahatsiarovana ho malemy ka hahatonga antsika hiankina tanteraka Aminy . Ary izany rahateo no efa nambaran’i Jesoa hoe : « Izaho no voaloboka, ianareo no sampany . Izay miray Amiko, ary Izaho aminy dia mamoa be izy , fa raha misaraka amiko kosa ianareo , dia tsy mahay manao na inona na inona  » (Jao 15 :5)

2-Mahatsiaro fa misy Mpamorona

Tsaroan’i Isaia Mpaminany ao anatin’ ity tonombavaka nasandrany ity fa an’ Andriamanitra ny fahefana sy ny fiandrianana. Andriamanitra Ray koa anefa Izy ka azony antoka fa manana fihetsehampo afaka hamindra fo sy hiantra eoa anatrehan’ny maha-mpanota ny olona (and8). Ray afaka mamolavola sy manefy amin’ny alalan’ny fomba maro , mba hahatonga ny olona hahay manao ny sitrapon’ Andriamanitra, ary afaka hanome voninahitra Azy amin’ny maha-zanaka manoa.Mety marary sy tsy zaka izany fanefena sy fanamboarana ataon’ Andriamanitra izany , kanefa rehefa manaiky isika dia manome hery antsika Izy hahazakana izany.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.