Mofon’aina – ALAKAMISY 12 OKTOBRA 2017

8 Ary ny mpanjakan’ i Syria niady tamin’ ny Isiraely ka nilaza tamin’ ny mpanompony hoe: Any Anonana no hitobiako.9 Ary ilay lehilahin’ Andriamanitra kosa naniraka tany amin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely nanao hoe: Tandremo fandrao mankany Ananona ianao; fa any no hidinan’ ny Syriana.10 Ary ny mpanjakan’ ny Isiraely naniraka tany amin’ izay nolazain’ ny lehilahin’ Andriamanitra taminy sy nananarany azy, ka nampiambina tany tsy indray mandeha, na indroa aza.11 Dia sosotra indrindra ny fon’ ny mpanjakan’ i Syria noho izany zavatra izany; koa niantso ny mpanompony izy ary nanao taminy hoe: Tsy hambaranareo ahy va izay eto amintsika momba ny mpanjakan’ ny Isiraely?12 Ary hoy ny mpanompony anankiray: Tsy misy, ry mpanjaka tompoko; fa Elisa mpaminany ao amin’ ny Isiraely ihany no milaza amin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely na dia izay teny lazainao ao amin’ ny trano fandrianao aza.13 Ary hoy ny mpanjaka: Andeha, izahao izay itoerany mba hanirahako hisambotra azy. Ary nolazaina taminy hoe: Indro, ao Dotana izy.14 Ary dia nampandeha soavaly sy kalesy ary miaramila be ho any izy; ka tonga alina ireo ary nanodidina ny tanàna.15 Ary rehefa nifoha maraina koa ny zatovon’ ny lehilahin’ Andriamanitra ka nivoaka, dia, indreo, nisy miaramila sy soavaly ary kalesy manodidina ny tanàna. Dia hoy ilay zatovo taminy: Indrisy, tompoko! Ahoana no hataontsika?16 Ary hoy Elisa: Aza matahotra; fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy.17 Ary Elisa nivavaka hoe: Jehovah ô, mifona aminao aho, ampahirato ny masony mba hahitany. Ary Jehovah nampahiratra ny mason’ ilay zatovo; ary dia nahita izy, ka, indro, ny tendrombohitra feno soavaly sy kalesy afo manodidina an’ i Elisa.18 Dia nidina nankany aminy ireo, ary Elisa nivavaka tamin’ i Jehovah ka nanao hoe: Mifona aminao aho, ataovy manjambena ireto olona ireto. Ary dia nataony manjambena ireo araka ny tenin’ i Elisa.19 Ary hoy Elisa taminy: Tsy ity no làlana, ary tsy ity no tanàna; fa manaraha ahy ianareo, dia hitondra anareo ho any amin’ ny lehilahy tadiavinareo aho. Dia nentiny nankany Samaria ireo.20 Ary rehefa tonga tany Samaria izy ireo, dia hoy Elisa: Jehovah ô, ampahirato ny mason’ ireto mba hahitany. Ary Jehovah nampahiratra ny masony, dia nahita izy; ka, indro, tao afovoan’ i Samaria izy.21 Ary nony nahita azy ny mpanjakan’ ny Isiraely, dia hoy izy tamin’ i Elisa: Ry ikaky ô, hasiako va izy? Hasiako va izy?22 Fa izy namaly hoe: Aza asianao izy; moa asianao izay nobaboinao tamin’ ny sabatrao sy ny tsipìkanao? Rosoy mofo sy rano eo anoloany mba hohaniny sy hosotroiny ary handehanany any amin’ ny tompony.23 Dia nanao fanasana lehibe ho azy ny mpanjaka; ary rehefa nihinana sy nisotro ireo, dia nampandehaniny, ary dia nankany amin’ ny tompony izy. Koa dia tsy nankany amin’ ny tanin’ ny Isiraely intsony ny mpitoha adin’ i Syria.
2 MPANJAKA 6 :8-23

Akaiky an’ Andriamanitra  tokoa i Elisa, Mpaminany. Nomen’ Andriamanitra  saina  sy fahaiza-mamantatra mialoha izy , mba hampiomana  azy  indrindra momba ny  anjara   fanompoany  teo  amin’ny fireneny :  « fa Elisa Mpaminany  ao  amin’ Israely ihany  no milaza  amin’ny Mpanjakan’ Israely  na dia  izay teny  lazainao  ao  amin’ny  trano  fandrianao  aza » (and 12). Nomen’ny  Tompo  Fanahy  mahery  ny mpanompony.

1-Afaka  mamantatra  ny fahavalo

Rehefa   tsara   fifandraisana amin’ Andriamanitra  Tompo  isika  mpanompony  dia omeny   ny fanahiny  hitarika  antsika  hanaovana  ny sitrapony. Izy  no mpiaro  ny Israely ka naniraka  ny mpaminany   mpanompony   hisolo tena azy tao  aminy , mahafantatra  mialoha  ny fahavalo  sy ny teti-dratsiny  izy  araka izany  ary mametraka izany fahafantarana izany  ao  amin’ny mpanompony  mba hahatanteraka ny famonjena  ny olona . Aoka  ho vita fihavanana  amin’i Jesoa Kristy  isika ka hahazo  ny fitarihan’ny Fanahy Masina izay  nomeny  mba hanaovantsika ny sitrapony  handraisan’ny olona  ny famonjena  nataony  teo  amin’ny hazo fijaliana.

2-Afaka mitondra teny amin’ny mpitondra 

Na dia zon’ny mpanjaka  natao  noho  ny fahefany aza ny mamono  ny fahavalo  nentina teo  aminy  dia tsy  maintsy  nanaraka ny tenin’ny mpanompon’ Andriamanitra izy satria mpitondra natahotra  an’ Andriamanitra . Aoka  ny manam-pahefana  mba hatahotra  an’ Andriamanitra ka hihaino  ny mpaminany  mpanompony   satria ireo  no mitondra  ny hafatr’ Andriamanitra ho famonjena ny olona.

Fanontaniana:

Mahatsapa ny fitarihan’ny Fanahy masina  ve ianao ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !