MOFON’AINA ALAKAMISY 13 DESAMBRA 2018

17 Ary Jesoa niara-nidina tamin’ ireo, dia nijanona teo an-kamarenana Izy sy ny mpianany maro mbamin’ ny vahoaka betsaka avy tany Jodia rehetra sy Jerosalema, ary avy tany amoron-dranomasina any Tyro sy Sidona, izay tonga mba hihaino Azy sy hositranina amin’ ny aretiny;18 ary izay nampahorin’ ny fanahy maloto dia nositranina.19 Ary ny vahoaka rehetra nitady hanendry Azy, satria nisy hery niala taminy ka nahasitrana azy rehetra.20 Ary Jesoa dia nanopy ny masony tamin’ ny mpianany ka nanao hoe: Sambatra ianareo malahelo, fa anareo ny fanjakan’ Andriamanitra.21 Sambatra ianareo noana ankehitriny, fa hovokisana ianareo. Sambatra ianareo mitomany ankehitriny, fa hihomehy ianareo.22 Sambatra ianareo, raha halan’ ny olona ka ariany sy haratsiny, ary laviny toy ny zava-dratsy ny anaranareo, noho ny amin’ ny Zanak’ olona.23 Mifalia ianareo amin’ izany andro izany, ka mibitaha; fa, indro, lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa izany no nataon’ ny razany tamin’ ny mpaminany.
LIOKA 6 : 17-23

NY HERIN’NY VAVAKA

 Fiainan’i Jesoa Kristy mihitsy ny vavaka araka ny hita eo amin’ny and. 12. Nitokana toerana tany an-tendrombohitra Izy, raha nivavaka sady naharitra nandritra ny alina. Manàna fìainam-bavaka, fa izany no :

1- Loharanon’ny vahaolana rehetra (and. 17-19)

 Ny vavaka fanaon’i Jesoa toy nv eo amin’ny and. 12 dia nanovozanv hery ka nahavitany zavatra mahagaga maro. Nanodidina an’i Jesoa teo ny olona maro na jiosv na jentiiisa, miaraka amin’ny olany avy toy ny aretina; fanahy maloto. Nefa samy voavaha avokoa izany. Ambaran’ny and.19 fa nisy herv tao amin’i Jesoa nahafahany nanatanteraka izany. Io Ilav Herin’ny Avo Indrindra nahavitany fahagagana maro (Ampitahao Lio 1 :35 ; 5 :17). Tsy handositra ny olana no tokony hataontsika fa ny maharitra mivavaka ahazoana hery hiatrehana ireo karazan’olana samihafa mahazo antsika ihany koa, satria tsy miova ny Tompo omaly sy anio ary mandrakizay.


2- Loharanon’ny fahasambarana (and.20-23)

Karazana fahasambarana efatra tsy mitovv amin’izao tontolo izao no ambara eto. Ny hevi-baventin’ny fahasambarana dia ny fampanantenana ny famonjena ho an’ireo izay ory sy mijaly ankehitriny. Ny fanjakan’Andriamanitra mantsy dia miseho tahaka ny fitsimbadihan’ny fiainana an-tany. Izay manangona harena ho an’ny tenany dia sambatra vetivety ihany fa tsy maharitra. Ho lasa ozona ny fananana raha tsy ampiasaina amin’ny asan’Andriamanitra. Ilaina amintsika, araka izany. ny ahafoy amin’ny asa tsara handovana ny lanitra.

Fanontaniana :

Mibaiko ny Tompo hanome izay tiantsika no tokony hatao rehefa mivavaka sa mangataka izay sitrapony?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra !