MOFON’AINA ALAKAMISY 13 JANOARY 2022

6 Fa firenena masina ho an’i Jehovah Andriamanitrao ianao; fa ianao efa nofidin’i Jehovah Andriamanitrao ho firenena rakitra soa ho Azy mihoatra noho ny firenena rehetra ambonin’ny tany. 7 Tsy ny hamaroanareo noho ny firenena rehetra anefa no niraiketan’ny fitiavan’i Jehovah taminareo sy nifidianany anareo, fa ianareo dia vitsy noho ny firenena rehetra aza; 8 fa ny nitiavan’i Jehovah anareo sy ny nitandremany ny fianianana izay efa nianianany tamin’ny razanareo no nitondran’i Jehovah anareo tamin’ny tanana mahery sy nanavotany anao tamin’ny trano nahandevozana dia tamin’ny tànan’i Farao, mpanjakan’i Egypta.9 Koa aoka ho fantatrao fa Jehovah Andriamanitrao ihany no Andriamanitra, dia Andriamanitra mahatoky, Izay mitandrina fanekena sy famindram-po amin’izay tia Azy sy mitandrina ny didiny, hatramin’ny taranaka arivo mandimby, 10 ary mamaly miharihary izay mandrafy Azy amin’ny fandringanana azy; tsy hitaredretra Izy ny amin’izay mandrafy Azy, fa hamaly azy miharihary. 11 Koa tandremo ny lalàna sy ny didy ary ny fitsipika, izay andidiako anao anio, ka araho izy.
DEOTERONOMIA 7.6-11

NY FIFIDIANAN’ ANDRIAMANITRA

Nahoana no nifidy ny firenena Israely Andriamanitra ? Nahoana no nifidy antsika Fiangonana Izy ?

1-Safidiny manokana

Mety alaim-panahy ny olom-boafidy ka hihevitra fa ny antony nifidianan’Andriamanitra azy dia noho ny fahatsarany mihoatra noho ny sasany, na ny fahamarianny mihohatra noho ny hafa . Asehon’ Andriamanitra eto fa tsy miankina velively amin’izany ny fifidianany. »Tsy ny hamaroanareo noho ny firenena rehetra anefa no niraiketan’ny fitiavan’i Jehovah taminareo sy ny nifidianany anareo  » .Tokony ho tsapan’ny kristiana fa ny fifidianana azy dia tsy avy aminy fa noho ny fahasoavan’ Andriamanitra irery ihany. Malalaka aminn’y safidiny ny Tompo .Hoy i Jeso : « Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa ary haharetan’ny vokatrareo » (Jao 15 :16)

2-Ho fampahafantarana ny Anarany

Tsy ny Israely ihany no mahazo tombotsoa amin’izao fifidianan’Andriamanitra azy izao, fa ny firenena rehetra. Israely no fitaovana eo am-pelatànan’Andriamanitra, ho fampahafatarana ny Anarany any amin’ny Jentilisa .Raha mitandrina sy mankato ny didiny ireo dia hahazo fitahiana hatramin’ny taranany, fa raha minia mandà sy tsy mankato kosa dia hofaiziny. Izany hoe : amin’ny alalan’ny fifidianan’Andriamanitra ny Israely no hahafahan’ ny firenena rehetra ny fitiavana sy ny faharipon’Andriamanitra, sady ahitana ihany koa ny fahatezeran’Andriamanitra sy ny famaizany (and 9, 10). Mitaky fankatoavana ny Teniny ny fifidianan’Andriamanitra ;

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.