Mofon’aina – ALAKAMISY 14 JIONA 2018

39 Ary raha mihamalahelo ny rahalahinao ka mivaro-tena aminao, aza ampanompoinao toy ny andevo izy;40 fa aoka hitoetra eo aminao tahaka ny mpikarama sy tahaka ny vahiny izy; mandra-pahatongan’ ny taona Jobily no hanompoany anao.41 Dia ho afaka izy sy ny zanany ka hody amin’ ny mpianakaviny sy amin’ ny tanin-drazany koa.42 Fa mpanompoko izay nentiko nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta izy ka tsy hamidy tahaka ny andevo.43 Aza mampanompo azy fatratra, fa matahora an’ Andriamanitrao.44 Ary ny amin’ izay ho andevolahinao sy andevovavinao, dia amin’ ny jentilisa izay manodidina anareo no hividiananareo azy.45 Ary amin’ ny zanaky ny vahiny eo aminareo sy amin’ ny taranany izay haterany eo amin’ ny taninareo no hividiananareo koa; ary dia ho fanananareo izany.46 Ary hataonareo lovan’ ny zanakareo mandimby anareo izany ho fananana holovany ka hampanompoinareo mandrakizay fa ny Zanak’ Isiraely rahalahinareo dia aza mba ampanompoina fatratra.
LEVITIKOSY 25 : 39 – 46

NY TAON-JOBILY SY NY FIARAHA-MONINA

Amin’ny taon-jobily dia misy koa ny andraikitra miandry ny tsirairay eo anivon’ny fiaraha-monina araka izao :

1 – Fitsinjovana ny mahantra

« Ary raha mihamalahelo ny rahalahinao » (and.39). Izany dia mampianatra antsika mba hahay mitsinjo ny hafa, indrindra fa ireo mahantra sy sahirana, Tsy tanisaina eto izay antony nahatonga ny fahantrany, na vokatry ny hakamoana, na vokatry ny fanararaotan’ny hafa, fa ny zava-dehibe dia ny ahazoana manampy sy manarina azy amin’ny fahantrany. Hihena ny tahan’ny fahantrana eo amin’ny mponina raha arahina izay lazain’ny Soratra Masina, satria misy ny fitsinjovana manokana ireo mahantra.  « Fa ny tany tsy ilaozana olo-malahelo. Koa izany no andidiako anao hoe :  « Sokafy tsara amin’ny rahalahinao ny tànanao, dia amin’ny malahelo sy ny mahantra eo amin’ny taninao » (Deo. 15:11).

2 – Fanaovana ny rariny

Ny mahantra sy ny malahelo dia ireo izay voatery hiankin-doha amin’ny hafa, ary indraindray na matetika aza dia iharan’ny fanararaotana sy ny tsy rariny izy ireny, saingy tsy afa-manoatra. « Aza ampanompoinao toy ny andevo izy » (and.39). Mety ho lasa mpikarama, na andevon’olona aza ny sasany amin’izy ireny. Tsy sitrak’Andriamanitra ny hisian’ny olona manararaotra ny fahorian’ny sasany. « Aza mampanompo azy fatratra. Fa matahora an’Andriamanitrao » (and.43). Ny taon-jobily dia ikendren’Andriamanitra mba hanafahana ny olona amin’izay endri-panandevozana rehetra.

Fanontaniana :

Isaky ny fotoana inona no manao asa fiantrana ianareo ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !