MOFON’AINA ALAKAMISY 14 MAY 2020

5 Izao no lazain’i Jehovah ny amin’ny mpaminany izay mampaniasia ny oloko, dia ireo izay manaikitra amin’ny nifiny, nefa mitory fiadanana, ary izay tsy manisy hanina eo am-bavany kosa dia iantsoany hanaovana ady masina: 6. Koa izany no hisian’ny alina aminareo, ka tsy hisy fahitana, Ary ny maizina aminareo, ka tsy hisy fankatovana; Fa hilentika tsy hanazava ny mpaminany ny masoandro, Ary ho maizina aminy ny andro, 7. Dia ho menatra ny mpahita, Ary hangaihay ny mpanao fankatovana; Eny, hitampim-bava avokoa izy rehetra, Satria tsy misy valiny avy amin’Andriamanitra. 8. Fa izaho kosa dia feno hery, dia* ny Fanahin’i Jehovah, Mbamin’ny rariny sy ny faherezana, Mba hanambara amin’i Jakoba ny helony Sy amin’Isiraely ny fahotany
MIKA 3 : 5-8

NY MPAMINANY SANDOKA SY NY MPAMINANY MANANA NY FANAHY MASINA

Misy fahasamihafana lehibe eo amin’ny mpaminany sandoka sy ireo tena Mpaminanin’Andriamanitra. Ity mofonaina ity no ahitana taratra izany

  1. Mpaminany sandoka (and 5-7)

« Fa hilentika tsy hanazava ny mpaminany ny masoandro, Ary ho maizina aminy ny andro, 7. Dia ho menatra ny mpahita, Ary hangaihay ny mpanao fankatovana; Eny, hitampim-bava avokoa izy rehetra, Satria tsy misy valiny avy amin’Andriamanitra »

a- tsy mahazo teny avy amin’Andriamanitra izy ireo. Ary satria tsy nomena teny, tsy nahazo fahazavana avy amin’Andriamanitra dia tonga maizina amin’ny olona izao rehetra izao. Tsy nantsoin’Andriamanitra hanambara ny hafany mantsy izy ireny matetika. Tsy nirahin’ny Tompo fa manira-tena. Tsy nahazo hafatra fa mamoron-kafatra.

Be dia be ny toa izany teo amin’ny Isiraely, miseho ho mpanompon’Andriamanitra kanefa tsy izy akory. Mandraka androany dia mbola misy ny toa izany. Be dia be ireo manora-tena ho mpaminany, milaza ny tenany ho nirahin’Andriamanitra, mpahita izao sy izao kanefa tsy mpanompon’Andriamanitra akory fa mpisandoka. Mila mitandrina tsara amin’ireny isika. Misy aza moa eto Madagasikara tsy nianatra momba ny Teôlôjia akory dia mijoro ho pastera etsy sy eroa. Be dia be no tsy nahazo faminaniana akory, koa satria tsy nahazo dia tonga mamorona ka sady mamitaka no manimba ny olona.

b- ho menatra izy ireo: mazava tsara fa hitafy henatra ireo misandoka ho mpaminanin’Andriamanitra kanefa tsy mba nantsoina tamin’izany akory. Ho hita sy hiharihary eo ihany ny maha-sandoka azy ireo. Ho fantatra eo ihany fa lainga sy zava-poronina ny faminanin’izy ireo.

Amin’izao fotoana izao dia Be dia be ny faminaniana lainga. Miseho tsikelikely ny maha-lainga sy zava-poronina azy. Hita sy miseho tsikelikely ny maha-sandoka tanteraka azy. Mila mitandrina tsara isika, fa tsy izay mahay mandahan-teny akory dia mpanompon’Andriamanitra avokoa. Ny mahagaga fotsiny dia ny mahita olona maro voafitaka sy lasa manaradia an-jambany azy ireny. Zavatra tena mila entina am-bavaka izany mba hamindra fo amin’ny mpisandoka sy ireo voafitaka ny Tompo.

  1. Mpaminanin’Andriamanitra (and 8)

« Fa izaho kosa dia feno hery, dia* ny Fanahin’i Jehovah, Mbamin’ny rariny sy ny faherezana, Mba hanambara amin’i Jakoba ny helony Sy amin’Isiraely ny fahotany »

Raha andininy telo be izao no teny nanoratana ny mpaminany sandoka, iray monja kosa ny an’i Mika eto. Zavatra roa no mampiavaka an’i Mika amin’ny sandoka

a- nahazo hery avy amin’ny Fanahin’Andriamanitra

« Izaho kosa, noho ny Fanahin’ny Tompo, dia feno tanjaka sy rariny ary herim-po »

Ilay teny hoe « KOSA » dia manambara fahasamihafana na fifanoherana eto. Ny tena Mpaminanin’Andriamanitra dia fenoin’Andriamanitra ny heriny avy amin’ny Fanahiny. Io hery omen’Andriamanitra io dia mazava tsara fa hoenti-manao ny asany. Tsy hery ihany no omen’Andriamanitra eto fa toe-panahy tia manao ny marina sy manaja ny rariny. Olona tena lavitry ny fitaka no asehon’ny mofonaina fa tena Mpaminanin’Andriamanitra eto. Ilay Fanahy Masina miasa ao aminy no anton’izany rehetra izany.

Mivavaha mandrakariva isika ho an’ny olona nantsoin’Andriamanitra marina haminany mba hitoeran’ny Fanahin’Andriamanitra hatrany ka sady hahery no hanao ny marina hatrany izy ireo.

b- nantsoina hampiverina ny olona amin’Andriamanitra

DIEM « Izaho kosa, noho ny Fanahin’ny Tompo…mba hanambara amin’ny taranak’i Jakoba ny helony, eny, mba hanambara amin’ny vahoakan’i Israely ny fahotany »

Ny hoe « MBA » amintsika Malagasy dia ho enti-milaza tanjona mazava. Ilay nanomezan’Andriamanitra ny Fanahiny ho an’ny mpaminany dia ny hahatonga azy ireo ho fitaovana eo am-pelantanan’Andriamanitra hamerina ny olony Aminy, hampibebaka azy ireo rehefa avy nandre ny fahotany. Ny filazana amin’ny olona ny fahotany mantsy dia mazava tsara fa ezaka atao amin’izy ireo ialany amin’izany faharatsiany izany.

Ny tena mpaminany dia izay nahazo hafatra avy amin’ny Tompo hamerina ny olona amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fibebahana. Tsy maika hilaza fitahiana sy fahasoavana ny tena mpaminany, izany fitahiana sy fahasoavana izany mantsy dia ho azon’ny olona avy amin’ny Tompo rehefa miala amin’ny faharatsiany izy ka tafaverina ao amin’ny Tompo.Ny hafatra laharam-pahamehana ampitondrain’Andriamanitra ny Mpaminanin’Andriamanitra dia ity fampibebahana sy famerenana ny olona amin’Andriamanitra ity. Saika toa izany avokoa ny hafatr’ireo mpaminany toa an’i Jaona mpanao Batisa, Jesoa, Apostoly.

Azo fantarina amin’ny hafatra hoentina arak’izao ny tena Mpaminanin’Andriamanitra marina. Tsy ireo maika hampiala ny olona amin’ny zava-manahirana ankehitriny ka mampanantena poak’aty fa ireo izay mikely aina hiverenan’ny fahatsaram-pifandraisana eo amin’ny Tompo sy ny vahoakany.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.