MOFON’AINA ALAKAMISY 14 OKTOBRA 2021

11 Indro ny havaventin’ ny soratra izay soratan’ ny tanako ho aminareo.12 Na iza na iza te-hiseho ho tsara amin’ ny nofo, dia ireo no manery anareo hoforana, nefa noho izao ihany: fandrao henjehina noho ny hazo fijalian’ i Kristy izy.13 Fa na dia ny tenan’ izy voafora aza dia tsy mitandrina ny lalàna; kanefa tiany hoforana koa hianareo, mba hireharehany amin’ ny nofonareo.14 Fa sanatria raha mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny hazo fijalian’ i Jesoa Kristy Tompontsika, Izay nahavoahombo izao tontolo izao tamin’ ny hazo fijaliana, raha ny amiko, ary izaho kosa, raha ny amin’ izao tontolo izao.15 Fa samy tsy mahasoa na ny famorana na ny tsi-famorana, fa ny ho olom-baovao.16 Ary izay rehetra mandeha araka ity fitsipika ity, dia ho aminy anie ny fiadanana sy ny famindrampo, ary ho amin’ ny Isiraelin’ Andriamanitra.17 Amin’ izao sisa izao aoka tsy hisy hanahirana ahy intsony; fa izaho mitondra ny marik’ i Jesoa voatomboka eo amin’ ny tenako.18 Ho amin’ ny fanahinareo anie, ry rahalahy, ny fahasoavan’ i Jesoa Kristy Tompontsika. Amena.
GALATIANA 6 : 11 – 18

NY FINOANA NY FAMONJEN’I KRISTY

1- Mitarika fanenjehana

« … fandrao henjehina noho ny hazo hazofijalian’i Kristy izy. » (and. 12)

Nanenjika ny Kristiana tsy manaiky hoforana ny Jiosy. Amin’i Paoly Apostoly, ny kristiana tsy azo ekena hoforana ho fialana amin’ny fanenjehana. Fahadalana sy henatra ny finoana ny hazofijaliana ka noroahina tsy mahazo miangona tao amin’ny Synagoga ny kristiana tsy manaiky ny teny hoe « voahozona Jesoa ». Niaina fanenjehana noho ny finoana an’i Jesoa Kristy sy miaina ny finoana an’i Jesoa Kristy voahombo tamin’ny hazofijaliana ho famonjena ny mpanota ny olona, dia henjehina. Koa aza gaga raha miatrika fanenjehana noho ny finoana ny famonjen’i Kristy ianao.

2- Fiainam-baovao

«  Fa samy tsy mahasoa na ny famorana na tsyfamorana, fa ny ho olom-baovao. » (and. 15)

Nanome lanja ny fombafombam-pivavahana sy tia fihetsiketsehana ety ivelany fotsiny ihany fa tsy tena miorina amin’ny finoana ny Jodaisma. Nitaona ny kristiana Galatiana ho forana ireo mpampianatra sandoka. Kanefa tsy ny fanaovana ireo fombafombam-pivavahana na tsia akory no handraisana ny famonjen’i Kristy fa ny finoana Azy. Izay rehetra manaiky fa i Jesoa Kristy voahombo teo amin’ny hazofijaliana ho famonjena ny mpanota ihany no manana fiainam-baovao ao Aminy. Fa izay takian’Andriamanitra amin’ny olona dia ny hiaina ny finoana an’i Jesoa Kristy.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.