Mofon’aina – ALAKAMISY 14 SEPTAMBRA 2017

26 Fa raha tonga ny Mpananatra, Izay hirahiko ho aminareo avy amin’ ny Ray, dia ny Fanahin’ ny fahamarinana Izay mivoaka avy amin’ ny Ray, dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy.27 Ary ianareo koa dia vavolombelona hanambara, satria ianareo efa teto amiko hatramin’ ny voalohany.
JAONA 15 :26-27

AFAKA MIJORO  HO VAVOLOMBELONA ISIKA

1-Noho ny mpanampy  sy mpiaro 

Aza adinoina  fa mifampitohy  amin’ny andininy izay  milaza  fanenjehana sy fankahalana  eo  alohany  ity eto  amin’ny and 26 ity. Ahoana  no hijoroana ho vavolombelon’ny  Tompo eo anoloan’ny fanakahalana ? Na dia i Jesoa aza nankahalaina, mba  hanao ahoana isika? Hahazaka izany ve ny mpino   , ka ho  sahy  hijoro  ho vavolombelona ? Afaka mijoro ho vavolombelona isika  noho  ny Fanahy masina  na ny mpananatra. Ny mpananatra  dia manana hevitra  hoe : mpiaro   , sady  tonga mpanampy sy manohana  amin’ny ady  mafy  sy fanenjehana. Izany   no mahatonga antsika ho sahy  na dia  ankahalaina aza. Tonga vavolombelona manam-pahasahiana isika  noho ny herin’ny Fanahy masina izay mpanampy  sy mpiaro  amin’ny loza  sy fanenjehana.

2-Noho  ny Fanahin’ny fahamarinana

Ny  Fanahin’ny fahamarinana araka ny anarany dia hahazoana  manakatra  ny asany  sy ny fomba fiasany. Mampahatsiaro  ny teny fahamarinana nambaran’ny Tompo Izy, ka tonga manamafy  orina ny finoana. Rehefa  mafy orina  ny finoana  dia tsy matahotra sady  tsy menatra ny hijoro  ho vavolombelon’ny Tompo ny mpanara-dia Azy, na dia etsy  ankilany aza ny fanenjehana sy ny nifankahalana. Raiso  ny Fanahy  ary ekeo hitarika antsika sy hiasa manankery  eo  amintsika  dia afaka  mijoro  ho vavolombelon’ny Tompo  mandrakariva  isika .

Fanontaniana:

Misy  afaka mijoro  vavolombelona fa tsy sahy  ary misy  sahy fa tsy afaka . Hainao  hazavaina  ve izany ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !