MOFON’AINA ALAKAMISY 15 DESAMBRA 2022

11Ry malala, mananatra anareo aho, satria vahiny sy mpivahiny ianareo, fadio ny filan’ny nofo, fa miady amin’ny fanahy ireny; 12ary aoka ho tsara ny fitondran-tenanareo eo amin’ny jentilisa, mba hankalazany an’Andriamanitra amin’ny andro famangiana noho ny ahitany ny asa tsara ataonareo, dia izay anendrikendrehany anareo ho mpanao ratsy. 13Ary noho ny Tompo dia maneke izay rehetra voatendrin’ny olona, na ny mpanjaka, satria ambony izy, 14na ny mpanapaka, satria nirahiny hamaly izay manao ratsy izy, fa ho mpidera izay manao tsara. 15Fa toy izany no sitrapon’Andriamanitra, hampanginanareo ny tsi-fahalalan’ny olona adala amin’ny fanaovan-tsoa; 16fa olona afaka ianareo, nefa aza mitondra ny fahafahanareo ho fanaronana ny ratsy, fa ho toy ny mpanompon Andriamanitra. 17Manajà ny olona rehetra. Tiava ny rahalahy. Matahora an’Andriamanitra. Manajà ny mpanjaka.I PETERA 2:11-17

NY MPINO AO ANATIN’NY FIARAHA-MONINA

1-Mandehana amin’ny fahamasinana

Mitaona ny mpino hanana fitondrantena miavaka i Petera . Miaina ao anatin’ny fiaraha-monina ny mpino, mijery ,manara-maso ny fiainan’ny mpino kristiana izao tontolo izao ka mitsara araka izay hitany .Mila mitandrina noho izany ny mpino ka hifady sy handà ny filan’ny nofo,hangataka ny fitarihan’ny Fanahy ,hiaina amin’ny fahamasinana mba tsy hitenenan-dratsy ilay Tompon’ny fanjakana .Mitady ny fomba rehetra hitenenan-dratsy ny fiangonana matetika ilay ratsy .Tarihana ny kristiana nandray marina ny famonjena nataon’i Jesoa Kristy mba hanaja Azy ha hiaina ny fahamasinana.

2-Maneke ny mpitondra

Tompon’ny fanjakana rehetra i Jesoa Kristy .Izy no manendry sy manolotra fahefana ho an’ireo tomponandraikitra samihafa amin’ny sehatra rehetra ao anatin’ny fiaraha-monina . Noho izany dia taomina hijoro ho vavolombelona ny mpino ka hanaja sy hanaiky izay fahefana ao anatin’ny fiaraha-monina ho marika fanajana Ilay Andriamanitra Tompon’ny fanjakana rehetra . Ny fahefana mijoro dia napetrak’Andriamanitra mba ho fitaizana ny olona rehetra hanao ny marina .Raha tsy mendrika ny fitondrantena dia ny mpitondra amin’ny fanjakan’ny tany no mitsara voalohany .Raha manao ny marina ny olona dia tsy afaka hitsara azy ny fitsaran’ny tany ,afaka amin’ny fitsaran’ilay Tompon’ny fahefana rehetra ihany koa izy

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.