Mofon’aina – ALAKAMISY 15 JONA 2017

4 Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an’ Andriamanitra ny fisakaizana amin’ izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan’ izao tontolo izao, dia fahavalon’ Andriamanitra izy.5 Ary ataonareo va fa miteny foana ny Soratra Masina? Ny fanahy, izay nampitoeriny ato anatintsika dia iriny amin’ ny fahasaro-piaro..6 Nefa manome fahasoavana bebe kokoa Izy. Koa hoy izy: « Andriamanitra manohitra ny mpiavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ ny manetry tena ».7 Ka dia maneke an’ Andriamanitra ianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy.8 Manatòna an’ Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. Diovy ny tànanareo, ry mpanota; ary ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina.9 Oria, sy mitomania, ary midradradradrà; aoka hody fitomaniana ny fihomehezanareo, ary hody fanjoretana ny fifalianareo.10 Manetre tena eo anatrehan’ ny Tompo, dia hanandratra anareo Izy.
JAKOBA 4 :4-10

SAFIDIO  NY LALAN’NY FANOMPOANA NY FIAINANA

1-Mizotra  mankaiza  ny lalanao 

Mahakasika  ny fifanajan’ny mpivady   no entin’i Jakoba mitondra vaha-olana  ho  an’ny fiainan’ny mpino. Ny   tsy  fankatoavana ny  Tenin ‘ Andriamanitra ka mahatonga ny  olona handeha amin’ny filàna misy eto amin’izao tontolo izao, ny fanompoana zavatra  hafa  dia endriky ny fijangajangana ara-panahy mila  ialana. Ny olona  te-hanompo  an’ Andriamanitra  kanefa  miray   tsikombakomba, mifandray   amin’ny tontolo   manohitra  ny finoana Azy  dia tsy ankasitrahany. Tarihiny ianao ankehitriny: iza  no tena tompointsika? Sao mbola mampifangaro  ny fanompoana  an’ Andriamanitra  amin’ny zavatra hafa. Diniho  ny làlanao, mangataha  ny Fanahy Masina hitari-dàlana anao.

2-Havaozy  ny fanolorantenanao 

Mamatotra  ny olona  ny tontolon’ny fahotana . Afaka  hiala sy handresy ilay ratsy anefa ny olona raha manaiky hibebaka  ka hanolotra  marina  ny fiainany ho  an’ Andriamanitra, hanaiky hotapahin’ Andriamanitra ny fiainany sy ny ho aviny. Manao  antso  avo  noho  izany i Jakoba (and 7-10). Fibebahana  no làlana  tokana   afaka  manitsy   ny toe-panahy  sy ny fitondrantenan’ny olona. Ny olona mametraka ny fiainany, manaiky hotarihan’ Andriamanitra irery ihany no mandresy ny devoly. Aza misalasala ary havaozy ny fanolorantenanao. Ekeo hiasa hanavao anao ny Fanahy Masina omen’ny Tompo anao.

Fanontaniana:

Nahoana  no tsy ankasitrahan’ Andriamanitra  ny fivavahana miaro faharatsiana ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !