MOFON’AINA ALAKAMISY 15 NOVAMBRA 2018

1 Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao noho ny amin’ ny mpanao ratsy; Ary aza mialona ny mpanao meloka;2 Fa hojinjana faingana tahaka ny ahitra izy ka halazo tahaka ny ahi-maitso.3 Matokia an’ i Jehovah ianao, ka manaova soa, dia honina amin’ ny tany ianao ka ho faly amin’ ny fahamarinana.4 Ary miravoravoa amin’ i Jehovah ianao, dia homeny anao izay irin’ ny fonao.5 Ankino amin’ i Jehovah ny làlanao, ary matokia Azy, fa hataony tanteraka.6 Ary hampiseho ny fahamarinanao tahaka ny mazava Izy, Ary ny rariny ho anao tahaka ny mitataovovonana.7 Miantombena tsara miandry an’ i Jehovah ianao ka manantenà Azy; Aza tezitra amin’ izay ambinina amin’ ny lalany dia amin’ izay olona manao sain-dratsy.8 Mitsahara amin’ ny fahatezerana, ary mahafoiza ny fahavinirana; aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao; fa ratsy no hiafaran’ izany.
SALAMO 37 : 1-8

MIANDRY AN’I JEHOVAH AMIN’NY FAHAMARINANA ISIKA

1 – Ny mpivavaka marina tsy mialona ny mpanao ratsy

Teny mandidy na fandrarana no ilazan’ny mpanao Salamo izay lalana sy fiainana tsy tokony hataon’ny mino. Teny fahendrena nomen’ny Tompo ny olona nahita fiainana ity Salamo ity (and 2 5). Ny fisiana sy fiafaran’ny mpanao ratsy dia fandringanana « fa hojinjaina tahaka ny ahitra izy » (and 2). Tsy anjarantsika no mamaly ny ratsy vitan’ny hafa. Andriamanitra no marina feno, ka manao fitsarana marina. Mampahery antsika Kristiana miaina eto anivon’izao tontolo izao, izay ratsy ity Salamo ity.

2 – Ny mpivavaka marina mahatoky an’I Jehovah

Mahatoky mandrakariva ny mpanompon’Andriamanitra. Tsy hoe : tsy manana olana na tsy misy fahoriana mihatra aminy., fa mifaly amin’ny fahatokiana an’I Jehovah (jereo I Tes 5 : 16). Andriamanitra mampifaly ny Tompontsika ary tsy misy ratsy ny ataony amintsika. Rehefa miorim-paka lalina ao aminy ny fo sy ny finoantsika, dia miravoravo ao aminy isika. Ny fivavahantsika izany dia miorina amin’ny ataon’Andriamanitra amintsika sy ny fahatokoantsika azy.

3 – Ny mpivavaka marina maharitra miandry ny Tompo

Ilay Andriamanitra marina no afaka mitsara marina. Mampiharihary ny fahamarinan’ny mpino ny andro fitsarana farany. Lavitra izany lalana izany, rehefa alaim-panahy mahita ratsy fanahy ambinina amin’ny lalany. Afoizo ny valifaty sy ny fahatezerana mirehitra fa tsy ahafahantsika mihaona sy miaraka amin’ny Tompo hatramin’ny fiafaran’ny fiainan’ny mino izany.


Fanontaniana :

Manao ahoana ny fivavahana mibaiko an’Andriamanitra

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra !