Mofon’aina – ALAKAMISY 16 AOGOSITRA 2018

11 Ary hitako atỳ ambanin’ ny masoandro indray fa tsy ho an’ ny haingan-tongotra ny fihoarana, ary tsy ho an’ ny mahery ny ady, ary tsy ho an’ ny hendry ny hanina, ary tsy ho an’ ny mazava saina ny harena, ary tsy ho an’ ny manam-pahalalana ny fitia; fa ny fotoana sy ny sampona dia samy mahazo azy rehetra.12 Fa tsy fantatry ny olona ny androny; fa toy ny hazandrano azon’ ny harato fahitan-doza izy, ary toy ny voron-kely izay voan’ ny fandrika, dia voafandrika toy izany ny zanak’ olombelona amin’ ny andro mahory, raha mahavoa azy tampoka izany.13 Izao koa no fahendrena efa hitako tatỳ ambanin’ ny masoandro, ka dia nataoko ho lehibe izany:14 Nisy vohitra kely sady vitsy olona, dia avy ny mpanjaka lehibe anankiray ka namely sy nanao fahirano azy ary nanao mànda lehibe hamelezany azy.15 Ary nisy lehilahy malahelo hendry hita teo, koa nahavonjy ny tanàna tamin’ ny fahendreny ralehilahy, nefa tsy nisy olona mba nahatsiahy ilay malahelo.16 Koa hoy izaho: Aleo fahendrena toy izay hery; kanjo hamavoina ny fahendren’ ny malahelo, ary ny teniny tsy mba henoina.
MPITORITENY 9 : 11-16

MANOHERA NY HERISETRA.

Toa efa zary zava-poana araka ny filazan’ny Mpitoriteny azy ny fiainana ankehitriny noho ny firongatry ny herisetra. Mila toherina ireny kanefa :

1 – Toherina am-pahendrena izany

Fampiasan-kery no nataon’ilay mpanjaka eto (and 14). Voatohitra anefa izany noho ny fanoherana tamim-pahendrena nataon’ity lehilahy iray mahantra kanefa nanam-pahendrena (and 15). Ilaina ny manohitra ny herisetra saingy tsy maintsy atao am-pahendrena izany, indrindra amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra sy ny fahafantarana ny sitrapony fa izany no atao hoe : fahendrena (Oha 9.10). Ianaro i Jesoa nanohitra ny herisetra natao taminy tamin’ny fahendrena.

2 – Toherina na dia hery tsy mitovy aza.

Ny an’ilay mpanjaka hery ara-tafika sy fahefana. Ny an’ilay lehilahy mahantra kosa tsy misy afa-tsy ny fahendrena. Ny hery tokoa tsy mahatohitra ny fanahy feno fahendrena avy amin’Andriamanitra (and 16a). Tohero amin’ny herin’ny fahendrena izay omen’ny Tompo antsika ny herisetra sy ny fampiasan-kery ary ny fanaparam-pahefana fa ny herin’ny Tompo dia tanterahina amin’ny fahalemena. Mety tsy ahitana sitraka na mety hohadinon’ny olona ny soa natao kanefa ny Tompo mahay mamaly fitia ny olon-kendry.

Fanontaniana :

Fahendrena manao ahoana no tokony hanoherana ny herisetra ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !