MOFON’AINA ALAKAMISY 16 APRILY 2020

24 Ity no andro nataon’i Jehovah; Hifaly sy ho ravoravo amin’izao isika. 25 Mifona aminao aho, Jehovah ô, vonjeo è! Mifona aminao aho, Jehovah ô, ambino è! 26 Hotahina anie izay avy amin’ny anaran’i Jehovah; Avy ao an-tranon’i Jehovah no itsofanay rano anareo. 27 Andriamanitra Jehovah ka nampahazava antsika; Rohizo kofehy ny fanati-piravoravoana na dia hatreo amin’ny tandroky ny alitara aza. 28 Andriamanitro Hianao, ka hidera Anao aho; Eny, Andriamanitro, ka hanandratra Anao aho. 29 Miderà an’i Jehovah, fa tsara Izy; Eny, mandrakizay ny famindram-pony.
SALAMO 118 : 24-29

IREO ANTONY HIDERANA AN’ANDRIAMANITRA

Araka izay nampianarina antsika, ny Salamo dia manana tanjona mazava ny famakiana sy ny fianarana azy. Anisan’ny iray amin’ireo tanjona maro famakiana sy fianarana ny Salamo ny fahaizan’izay mamaky Salamo hiderana an’Andriamanitra. Ireto no antony hiderana an’Andriamanitra araka izao salamo voalahatra ho mofonaina izao

  1. Manambina Andriamanitra (and 25)

« Mifona aminao aho, Jehovah ô, vonjeo è! Mifona aminao aho, Jehovah ô, ambino è! »

Ny Baiboly dikanteny Frantsay iray dia mandika io andininy io hoe: «ô Eternel accorde le Salut, ô Eternel donne la prosperite ». Izany dikanteny izany dia manondro mazava an’Andriamanitra ho mpanome fanambinana. Ny hoe prosperer raha jerena ny dikany dia mety ahazoana ny hevitra hoe mampandroso ho amin’ny tsara kokoa. Koa midera an’Andriamanitra isika noho Andriamanitra manambina antsika, mitahy antsika ka mampandroso antsika ho amin’ny tsara kokoa. Raha ny marina rehefa ao amin’Andriamanitra dia lanja miakatra mandrakariva ny fiainana. Izany no antony tena hiderana ny Tompo. Na iza na iza mahatsiaro fanambinana arak’izao dia tonga adidiny ny midera an’Andriamanitra.

  1. Manazava Andriamanitra (and 27)

« Andriamanitra Jehovah ka nampahazava antsika »

Ny matoanteny ampiasain’ny mpanao Salamo eto dia ny hoe : « nampahazava ». Midika izany fa tsy mpanao ny asa ny mpanao Salamo fa niharan’ny asa. Andriamanitra no nanazava azy. Izany dia midika fa tsy misy na iza na iza afaka manazava ny tenany, mila an’Andriamanitra izy hanao izany. Ny hoe manazava koa dia midika fa manala amin’ny haizina, izany hoe raha raisina ny heviny dia manala amin’ny herin’ny ota. Tsy misy afaka manala ny tenany amin’ny herin’ny ota sy ny fahafatesana, asan’Andriamanitra izany. Fa ny hoe manazava koa dia fanesorana amin’ny fahabadoana. Anisan’ny nosokajiana ho olona tao anaty haizina tamin’ny taonjato faha-18 ny olona bado. Noho ny tenin’Andriamanitra izay fanilon’ny tongotra dia tonga mahafantatra zavatra maro ny mino. Midera an’Andriamanitra isika kristianina noho ny Tompo manala antsika amin’ny herin’ny ota sy ny habadoana izay mamatotra antsika. Arak’izany meteza hohazavain’ny Tompo, raiso ny heriny amin’ny alalan’i Jesoa mba ho enti-mandresy ny fahotana sy hahaizana Soratra Masina ka tsy ho zaza-bodo intsony amin’ny zavatra rehetra.

  1. Mamindra fo Andriamanitra (and 29)

« Miderà an’i Jehovah, fa tsara Izy; Eny, mandrakizay ny famindram-pony »

Ny Soratra Masina any am-panombohana dia mampiseho an’Andriamanitra ho TSARA. Satria tsara Andriamanitra ka izany no mahatonga ny zavatra rehetra nataony ho tsara avokoa. Anisan’izay maneho ny fahatsaran’Andriamanitra ihany koa izay ambaran’ny mpanao Salamo eto : « Andriamanitra mpamindra fo ». Misy izay mampiavaka azy manokana ity famindram-pon’Andriamanitra ity eto amin’ity Salamo 118 ity : « mandrakizay ». Ny hoe mandrakizay dia manana hevitra mahatratra ny taranaka mifandimby. Ny famindrampon’Andriamanitra arak’izao dia mihatra amin’ny taranaka mifandimby. Ny hoe mandrakizay koa dia manana hevitra tsy misy fiafarany, tsy voafetra ny fotoana sy ny toerana. Ny famindam-pon’Andriamanitra arak’izany dia tsy misy fetra. Mamindra fo mandrakariva Andriamanitra. Ny famindram-po koa dia manana hevitra fahavelomana. Noho ny fahotana dia tokony ho faty ny olona rehetra. Noho ny famindrampon’Andriamanitra anefa dia mbola velona sy tra-pamonjena ny olona maro. Raha ny marina tsy hoe vavolombelon’ny fahaveloman’ny Tompo fotsiny ny mino fa tena misitraka izany fameloman’Andriamanitra azy izany mihitsy izy noho ny famindrampon’Andriamanitra. Izany no nahatonga an’i Paoly niloa-bava hoe : « Fa ny fahasoavan’Andriamanitra no nahatoy izao ahy ».( 1 Kor 15. 10). Noho ireo rehetra ireo dia midera an’Andriamanitra ny mino noho ny famindram-pon’Andriamanitra taminy.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.