Mofon’aina – Alakamisy 16 febroary 2017

31 Dia hoy Mosesy: Aza dia ilaozanao izahay; fa fantatrao izay tokony hitobianay atỳ an-efitra, ka dia ho masonay ianao.32 Ary raha hiaraka aminay ianao, dia izay soa hataon’ i Jehovah aminay no mba hataonay aminao kosa.33 Dia niainga niala tany an-tendrombohitr’ i Jehovah làlan-kateloana izy; ary ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah nandroso nialoha azy làlan-kateloana hitady fialan-tsasatra ho an’ ny olona.34 Ary ny rahon’ i Jehovah dia teo amboniny nony andro tamin’ ny niaingany niala tamin’ ny nitobiany.35 Ary raha niainga ny fiara, dia hoy Mosesy: Mitsangàna, Jehovah ô, ka aoka hiely ny fahavalonao; ary aoka handositra ny tavanao izay mankahala Anao.36 Ary raha nijanona kosa ny fiara, dia hoy izy: Miverena, Jehovah ô, ho amin’ ny Isiraely tsy omby alinalina.
NOMERY 10 :31-36

FIANGONANA VAVOLOMBELON’NY FANEKENA

Ny Israely dia natsoina koa hoe: Fiangonana, vahoakan’ Andriamanitra nanaovany fanekem-pihavanana. Ny maha- izy azy ny Fiangonana dia noho izy :

1-Fiangonana misokatra ho an’ny hafa

Tany anefitra ny Zanak’Israely amin’izao tantara izao, ary miomana ny hanainga indray. Ankoatra azy ireo dia nisy olona avy amin’ny firenen-kafa koa nomba azy (Jereo Eks 12.38) ary anisan’izany Hobaba Midianita. Niangavy an’i Hobaba i Mosesy mba hiaraka aminy ho mpitari-dàlana , ary nampanantena azy koa fa hanome anjara ho azy amin’izay zava-tsoa nampanantenain’ny Tompo ho an’Israely . Misokatra ho an’ny rehetra ny Fiangonana. Andraikitra miandry ny Fiangonana ankehitrinty ny tsy hamihina ny soa ho an’ny tenany samirery fa hanao Tafika masina ho famonjena ny hafa.

2-Fiangonana manaiky hotarihan’ny Tompo

Ny fiaran’ny fanekena no endriky ny fanatrehan’ Andriamanitra ny vahoakany . Rehefa hanainga ny fiaran’ny fanekena dia hoy i Mosesy: « Misandrata Andriamanitra ô. Aoka hiparitaka ny fahavalonao… »(and 35,36). Isika dia manaiky an’i Jesoa ho lohan’ny Fiangonana . Atombohy amin’ny vavaka izay atao rehetra . Ekeo ny fitarihan’ny Fanahy Masina .

Fanontaniana:

Isaky ny fotoana inona no mba manao Tafika masina ianareo?
Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.Amen !