MOFON’AINA ALAKAMISY 16 JOLAY 2020

7 Ary Mosesy nivoaka hitsena ny rafozany, dia niankohoka sady nanoroka azy; ary nifampiarahaba izy mianaka, dia niditra tao an-day. 8 Ary nambaran’i Mosesy tamin’ny rafozany izay rehetra efa nataon’i Jehovah tamin’i Farao sy tamin’ny Egyptiana noho ny amin’ny Isiraely, mbamin’ny fahoriana rehetra nanjo azy teny an-dàlana, sy ny namonjen’i Jehovah azy. 9 Dia faly Jetro noho ny soa rehetra izay efa nataon’i Jehovah tamin’ny Isiraely, izay novonjeny ho afaka tamin’ny tànan’ny Egyptiana. 10 Ary hoy Jetro: Isaorana anie Jehovah, Izay namonjy anareo ho afaka tamin’ny tànan’ny Egyptiana sy tamin’ny tànan’i Farao, dia Izay namonjy ny olona tsy hotapahin’ny Egyptiana. 11 Ankehitriny dia fantatro fa lehibe Jehovah mihoatra noho ny andriamanitra rehetra, dia tamin’izay zavatra nentin’ny Egyptiana nirehareha tamin’ireny. 12 Ary Jetro, rafozan’i Mosesy, nitondra fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-dra ho an’Andriamanitra; dia nankao Arona sy ny loholon’ny Isiraely rehetra hiara-mihinan­kanina amin’ny rafozan’i Mosesy teo anatrehan’Andriamanitra.
EKSODOSY 18 : 7-12

REHEFA FANTATRY NY JENTILISA NY ASAM-PANAFAHAN’NY TOMPO

Rehefa tonga tany amin’ny Jetro rafozany Mosesy dia notantarainy taminy ny fomba nanafahan’Andriamanitra ny Zanak’Isiraely tamin’ny Egyptianina. Nisy akony manokana teo amin’i Jetro izany. Nahatonga azy ho tonga amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra izany. Ny vokatry ny fandrenesana ny asa fanafahan’Andriamanitra ny Zanak’Isiraely teo aminy no ambaran’ny mofonaina, izay vokatry ny fandrenesana ny asa fanafahan’Andriamanitra eo amin’ny jentilisa. Ireto izany vokatra izany

  1. Fifaliana (and 9)

« Dia faly Jetro noho ny soa rehetra izay efa nataon’i Jehovah tamin’ny Isiraely, izay novonjeny ho afaka tamin’ny tànan’ny Egyptiana »

Niteraka fifaliana teo amin’ny Jetro izay jentilisa izany fandrenesana ny asam-panafahana notanterahin’Andriamanitra izany. Zava-mahagaga ihany izany indraindray satria raha ny mahazatra antsika dia misy mihevitra fa tsy mahalala an’Andriamanitra akory ny Jentilisa. Eto anefa dia faly rehefa nandre ny asany.

Aoka hambara mandrakariva amin’ny olona rehetra ny asan’Andriamanitra, mitondra fifaliana ho an’izay mandre izany. Fotoana tena mety ilazana ny asan’Andriamanitra manafaka olona maro amin’ny geja samihafa ankehitriny. Hahatonga fifaliana ny mandre fa mbola tena manafaka tokoa ny Tompo. Koa raha nanafaka amin’ny herin’ny Egyptianina Izy, afaka manafaka antsika amin’izao areti-mandringana izao.

Fanontaniana : faly ve ianao rehefa mandre olona sitrana amin’ny covid19 ? Ireny mantsy no endriky ny fanafahan’Andriamanitra ankehitriny.

  1. Fisaorana (and 10)

« Ary hoy Jetro: Isaorana anie Jehovah, Izay namonjy anareo ho afaka tamin’ny tànan’ny Egyptiana sy tamin’ny tànan’i Farao, dia Izay namonjy ny olona tsy hotapahin’ny Egyptiana »

Zava-mahagaga ny zava-misy eto. Tsy vahoaka mpiray tanindrazana tamin’i Jetro ny Zanak’Isiraely, tsy mpiara-monina taminy akory. Fa rehefa nafahan’ny Tompo dia nahatonga azy hisaotra an’Andriamanitra. Ny fisaorana dia tena fankasitrahana an’Andriamanitra noho Izy nanafaka ireto vahoaka izay notarihan’ny vinantony. Asehon’ny Soratra Masina fa faly sy misaotra an’Andriamanitra Jetro noho ny fanafahan’Andriamanitra ny vahoaka notarihin-janany.

Fanontaniana : Mba firy amintsika no misaotra an’Andriamanitra rehefa mahare fa mitombo isa indray no sitrana tamin’ity areti-mandringana ?

  1. Finoana (and 11)

« Ankehitriny dia fantatro fa lehibe Jehovah mihoatra noho ny andriamanitra rehetra, dia tamin’izay zavatra nentin’ny Egyptiana nirehareha tamin’ireny »

Tonga nanaiky ny maha-lehibe an’Andriamanitra mihoatra an’ireo andriamanitra rehetra Jetro rehefa nandre ny asa fanafahana ny Zanak’Isiraely. Tonga tamin’ny finoana izy raha ny marina. Fa tsy hoe tonga tamin’ny finoana fotsiny fa tena nijoro vavolombelona avy hatrany ka nanambara ny fahambonian’Andriamanitra. Mitondra ho amin’ny finoana, mitondra ny jentilisa amin’ny finoana ny fahafantarana an’Andriamanitra manafaka. Koa adidintsika mino ny milaza sy manambara izany amin’izy ireo.

Fanontaniana : firy amintsika no tonga tamin’ny finoana rehefa mandre fa manasitrana amin’ny aretina samihafa ny Tompo ? Tsy misy dikany amin’ny Tompo ny mamonjy sy manafaka amin’izao areti-mandringana izao.

  1. Fanoloran-tena (and 12)

« Ary Jetro, rafozan’i Mosesy, nitondra fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-dra ho an’Andriamanitra »

Ny fanatitra dia endriky ny fankasitrahana hita maso, fa endriky ny fanoloran-tena ihany koa noho ny faharesen-dahatra amin’ny asan’Andriamanitra. Ny fandrenesana ny asam-panafahana ny Zanak’Isiraely no nahatonga izany teo amin’ny Jetro. Adidintsika mino manambara fotsiny ny asan’Andriamanitra eo amin’ny jentilisa dia ho tonga amin’ny fanoloran-tena mahagaga izay tsy takatry ny saina izy ireo.

Fanontaniana : asa fanompoana an’Andriamanitra toa ny inona no nanolorantsika tena rehefa nahare ny asan’Andriamanitra isika ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.