Mofon’aina – Alakamisy 16 martsa 2017

19 Ary izay niely noho ny fanenjehana tamin’ i Stefana dia nandeha hatrany, Foinika sy Kyprosy ary Antiokia, nefa tsy nitoriteny tamin’ ny olona izy, afa-tsy tamin’ ny Jiosy ihany.20 Ary ny sasany tamin’ ireny, dia lehilahy avy any Kyprosy sy Kyrena izay tonga tany Antiokia, dia niresaka tamin’ ny jentilisa koa ka nitory an’ i Jesoa Tompo.21 Ary ny tanan’ ny Tompo nomba azy ireo, ka maro no isan’ izay nino sy niverina ho amin’ ny Tompo.22 Ary ren’ ny sofin’ ny fiangonana tany Jerosalema ny amin’ ireo, dia naniraka an’ i Barnabasy izy handeha hatrany Antiokia.23 Ary rehefa tonga izy ka nahita ny fahasoavan’ Andriamanitra, dia faly ka nananatra azy rehetra haharitra hiray amin’ ny Tompo amin’ ny fo minia fatratra.24 Fa lehilahy tsara fanahy izy sady feno ny Fanahy Masina sy finoana; ary maro be ny olona nanampy ho an’ ny Tompo.25 Dia lasa Barnabasy nankany Tarsosy hitady an’ i Saoly.26 Ary rehefa nahita azy izy, dia nitondra azy hankany Antiokia. Ary niara-niasa tao amin’ ny fiangonana hatramin’ ny herintaona ngarangidina izy roa lahy ka nampianatra olona maro; ary tany Antiokia no voalohany nanaovana ny anaran’ ny mpianatra hoe Kristiana.
ASA 11 :19-26

NY FITORIANA NY FILAZANTSARA

1-Maneho  ny fomban’ Andriamanitra

Noho  ny fanenjehana  nahazo  ny kristiana  dia niely  tany amin’ny faritra  izy ireo . Tsy niafina  na nitoetra fotsiny izy  ireo fa nanohy   hatrany  ny asa fanompoana  nifidianan’ny Tompo dia ny fitoriana ny Filazantsara. Nahitana  fahombiazana izany  satria nomba azy ireo ny Tompo ka nitombo  hatrany  ny isan’ny mpino.

2-Mifampahery  ny mpino

Tafapaka tany Jerosalema  fa noho   ny fitoriana ny Filazantsara  dia nitombo isa ny mpino  tany  amin’ireo faritra  nandosiran’ny mpianatra noho ny fanenjehana. Naniraka  an’i Barnabasy handeha  hatrany Antiokia ny fiangonana tany Jerosalema mba hampahery  ny mpino  tamin’izany toerana izany. Miseho  eto araka izany  fa rehefa  manana ny Filazantsara ny olona dia afaka mifampahery.

3-Mampiombona

Tsy ny hampahery  ny mpino  ihany  no nandehanan’i Barnabasy fa ny hihaona  amin’i Saoly. Tonga  mpiara-miasa  izy ireo. Na dia  olona  roa samy nanana  ny tontolo  namolavolana  azy aza i Barnabasy  sy i Saoly  dia tonga mpiara-miasa. Rehefa  miasa  ao anatin’ny olona  ny Fanahy masina , iainana  ny finoana  noho ny Tenin’ Andriamanitra dia afaka miara-miasa ny mpino  rehetra na dia  izay heverina  fa tsy mitovy  fomba  fijery aza tany aloha .

Fanontaniana:

Mahay  miara-miasa  amin’ny kristiana namanao ve ianao?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !