Mofon’aina – ALAKAMISY 16 NOVAMBRA 2017

13 Fa tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin’ izay modimandry, mba tsy hahalahelovanareo tahaka ny sasany izay tsy manana fanantenana.14 Fa raha inoantsika fa efa maty Jesoa sady efa nitsangana indray, dia toy izany koa no hitondran’ Andriamanitra izay efa nodimandry tao amin’ i Jesoa hiaraka aminy.15 Fa izao no lazainay aminareo amin’ ny tenin’ ny Tompo: isika, izay velona ka mbola mitoetra mandra-pihavin’ ny Tompo, dia tsy mba hialoha izay efa nodi-mandry tsy akory.16 Fa ny tenan’ ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin’ ny fiantsoana sy ny feon’ ny arikanjely ary ny trompetran’ Andriamanitra, ka izay maty ao amin’ i Kristy no hitsangana aloha;17 ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka Aminy ho eny amin’ ny rahona hitsena ny Tompo any amin’ ny habakabaka; dia ho any amin’ ny Tompo mandrakariva isika.18 Koa dia mifampionòna ianareo amin’ izany teny izany.
1 TESALONIANA 4 :13-18

Valiteny nasetrin’i Paoly   ho an’ireo  miroa saina  momba ny andro farany sy ny amin’ireo  mpino   efa nodimandry  ity. Nambarany  fa tsy tokony  halahelo  sy hifampionona  ny  mpino satria :

1-Manahaka an’i Jesoa Kristy 

I Jesoa Kristy  no  efa maty sy nitsangana tamin’ny maty ary nasandratr’ Andriamanitra  . Hanahaka  Azy  toy izany  koa ny  mino. I Jesoa  mivantana rahateo  koa no efa  nilaza  fa izay  mino  Azy  dia tsy ho faty mandrakizay . Fototry  ny  finoana kristiana  mihitsy  ny fahafatesan’ny  Tompo hamonjy  ny olona  sy  ny fitsanganany  tamin’ny maty . Fa « raha tsy misy fitsanganana amin’ny maty  na dia Kristy aza dia tsy  natsangana , ary  raha tsy natsangana  Kristy  dia foana ny toriteninay  ary foana ny finoanareo  » 1 Kor 15.13-14 .

2-Ho any  amin’ny Tompo mandrakariva 

Tsy  fanolorana  tetiandrom-paminaniana momba ny andro farany  no nataon’i Paoly  fa fampaherezana  ny  mpino. Aseho  amin’ny antsipirihany  kokoa eto  ny momba ny dia nalehan’i Jesoa araka ny Jaona 14 :1-3 , fa handeha  hamboatra  fitoerana  ho an’ny mino . Ho tanteraka ny fifalian’ny mino    satria tsy  mana-pahataperana  intsony  ny fiarahana  amin’ny Tompo. Tsy  hisy intsony  fisedrana  sy fizahan-toetra  samihafa. Ambaran’i Paoly  any  amin’ny Fil 1 :23 ,  fa « miandry  hiala  ka ho any  amin’i Kristy  , satria  tsara  lavitra  izany  » .

Fanontaniana:

Ahoana  no  fampaherezana tokony  hataon’ny kristiana rehefa hamangy  fahoriana ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !