MOFON’AINA ALAKAMISY 16 SEPTAMBRA 2021

5 Ary rehefa tafidina avy tany Makedonia Silasy sy Timoty, dia voaterin’ ny teny Paoly ka nanambara tamin’ ny Jiosy fa Jesoa no Kristy.6 Ary nony nanohitra sy niteny ratsy ireo, dia nanopakopa-damba izy ka nanao taminy hoe: Aoka ho eo an-dohanareo ny ranareo; afaka aho; ary amin’ izao sisa izao dia hankany amin’ ny jentilisa aho.7 Ary raha niala teo izy, dia niditra tao an-tranon’ ny lehilahy atao hoe Titosy Josto, izay nivavaka tamin’ Andriamanitra; ary ny tranony nifanolotra tamin’ ny synagoga.8 Ary Krispo, mpanapaka ny synagoga, mbamin’ ny ankohonany rehetra dia nino ny Tompo; ary maro koa ny Korintiana, raha nandre, dia nino ka natao batisa.
ASAN’NY APOSTOLY 18 :5-8

1-Nanolo-tena hitory ny Filazantsara i Paoly

Misy voambolana ampiasaina eto manao hoe: « voaterin’ny teny i Paoly ». Tsy raisina ara-bakiteny akory izany fa izay tiana holazaina kosa dia izao satria efa nantsoin’Andriamanitra izy ho mpitory ny Filazantsara ka dia nanoka-tena hitory izany izy ary ny Filazantsara ambara dia i Jesoa Kristy sy ny asam-pamonjena nataony ho an’ny mino Azy rehetra .

2-Nihamafy hatrany ny fanoherana azy

Rehefa torina sy ambara anefa izany Filazantsara izany dia misy hatrany ireo voaelingelina noho ny fahitsian’nyFilazantsara satria ny Tenin’Andriamanitra ambara mihitsy dia voalaza hoe : maranitrea toy ny sabatra roa lela ka manindrona hatramin’ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo, izany hoe : mampiharihary ny ratsy ataon’ny olona. Misy ny olona voatohintohina noho izany ka manenjika sy manaratsy no hany heriny, mifofo ny aina mihitsy aza ka izany no ilazana eto hoe : nihamafy ny fanoherana ny mpitory ny Filazantsara. Efa niteny izany i Jesoa Kristy ary nampahery izay rehetra mihevitra hitory ny Filazantsara ka hamafisina amin’ny fiangonana koa izany .

3-Mitodika any amin’ny saha vaovao izy

Rehefa voaenjika sy haratsiana, fofoana aina tahaka izany ny mpitory ny Filazantsara dia misy ireo kivy ka mihemotra fa i Paoly kosa da nanapa-kevitra hitodika any amin’ny saha vaovao. Ny zava-dehibe dia ny fandrosoana hatrany hanatanteraka ny asa fitoriana ny Filazantsara na inona sakana na inona.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.