Mofon’aina – ALAKAMISY 17 AOGOSITRA 2017

36 Dia tezitra Jakoba ka nifamaly tamin’ i Labana; ary namaly Jakoba ka nanao tamin’ i Labana hoe: Inona no heloko? inona no otako, no dia niolomay nanenjika ahy ianao?37 Fa efa nosavanao avokoa ny entako rehetra, koa inona no fanaka avy tany an-tranonao hitanao tao? Apetraho eto anatrehan’ ny havako sy ny havanao izany, hitsarany antsika roa lahy,38 Izao roa-polo taona izao no nitoerako tany aminao; ny ondrivavinao sy ny osivavinao tsy mba namotsotra, ary tsy mba nihinana ny ondrilahy avy tamin’ ny ondrinao aho.39 Izay voaviraviram-biby tsy mba nentiko tany aminao, fa izaho no nanolo azy; teo an-tanako no nitadiavanao azy, na ny nangalarina andro, na ny nangalarina alina.40 Nony antoandro matin’ ny hain’ andro aho, ary nony alina dia matin’ ny fanala; ary nandositra ny masoko ny torimaso.
GENESISY 31 :36-40

Ny  vavolombelon’ny  Tompo 

1-Miaina  amin’ny fahamarinana

Nahatezitra  fatratra  an’i Jakoba   ny  fanenjehana  nataon’i Labana azy. Nasehon’i Jakoba  anefa  fa marina izy. Ny fisavana anaty tamin’ny tao an-tranony  sy ny entany  dia nanamarina  izany  (31,37). Nanatontosa ny asany tamim-pahamarinana izy. Ary toy izany  ny asa  fanompoana  nataon’i Jesoa Kristy  tamin-kitsimpo sy fahamarinana. Meteza  ho  toy izany   koa  eo  amin’ny asa napetraka aminao, mba ho olona tena mahatoky .

2-Miaina  amin’ny fahatokiana  

Nanatsara ireo  teo an-tànany  izay  fananan’i Labana no nimasoany  , izany hoe : tena  azo hametrahana  fitokisana  tanteraka,  ka amin’izany  dia  mandry  ivohon’ny vato  mihitsy ny tompom-pananana ary  araka  ny fantatsika teo  dia  nandritra ny roapolo taona , izany hoe : fotoana maharitra no niainan’i Jakoba  tamin’izany  fiainam-pitokisana izany  fa tsy mandalo  fotsiny  ihany .Ny hafatra hafa ihany koa anefa dia izao : na dia manao ny mety aza isika dia hisy foana ny manenjika, nefa tsy atao mampivalaketraka izany ,satria isika dia miara-dàlana amin’ilay Tompo hatrany  ka mampandresy  antsika Izy .

Fanontaniana :

Hatraiza ny fiainanao  amin’ny fahamarinana sy ny fahatokiana eo  amin’ny fanompoana an’ Andriamanitra ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !