MOFON’AINA ALAKAMISY 17 JONA 2021

27 Fa hany ataoko: aoka ny fitondrantenanareo ho miendrika ny Filazantsaran’ i Kristy, mba handrenesako ny toetrareo (na ho tonga aho ka hahita anareo, na tsy ho tonga), fa maharitra amin’ ny fanahy iray ianareo ka miray fo hiara-miezaka hampandroso ny finoana ny Filazantsara,28 ka tsy ho azon’ ny fahavalo ampitahorina ianareo na amin’ inona na amin’ inona; fa amin’ ireo dia mariky ny fahaverezana izany, nefa mariky ny famonjena anareo kosa, sady avy amin’ Andriamanitra.29 Fa ianareo efa nomena noho ny an’ i Kristy, tsy ny hino Azy ihany, fa ny hiharam-pahoriana koa noho ny aminy,30 dia manana izany ady izany hianareo, izay hitanareo teo amiko sady mbola renareo fa ato amiko ihany ankehitriny.
FILIPIANA 1 :27-30

KRISTY FOTOTRY NY FINOANA

Ny Kristiana milaza fa mino an’I Jesoa dia tokony ho hita amin’ny toetrany izany. Ny Gal.2 :20, dia milaza fa ny hoe : kristiana dia Kristy velona ao anaty.

1- Mitondrà tena mendrika ny Filazantsara (and. 27-28)

Ny fanekena handeha araka ny Fanahy no hahafahana manatanteraka izany ( vakio Gal. 5 :17). Rehefa feno ny Fanahy Masina isika mpino dia miseho ho azy eny amin’ny fiainana ny toetra mendrika ny Filazantsaran’I Kristy. Tsy ny toetra ihany fa ny fomba sy ny fiteny koa. Amin’izany dia tsy toetra tefitefena na amboamboarina fa tena vokatry ny Fanahy Masina ao anaty. Izay tsy maintsy hiomanantsika anefa dia izay nolazain’I Jesoa, tsy maintsy hiatrika fisedrana isika amin’izany (vakio Lio. 21 :17). Satria izay te- ho velona araka an’Andriamanitra dia tsy maintsy henjehina (2 Tim.3 :12)

2- Miaina ny fiainan’I Kristy (and. 29.30)

Paoly eto dia sahy nilaza fa niaina ny fiainan’I Kristy. Asongadiny fa noho ny fahasoavan’I Jesoa Kristy dia nandray ny finoana Azy izy, saingy nomarihiny tsara fa nantsoina ny hino ihany izy fa niharam-pahoriana tahaka Azy koa. Maro ny Kristiana no te-hanorina ny finoany an’I Jesoa Kristy amin’ny fifaliana ihany fa tsy amin’ny fahoriana ihany koa. Tsy amin’ny fifaliana ihany no tokony hisaorantsika Azy fa indrindra ny zava-mampahory ihany koa (vakio 1Pet. 4 :13). Sarotra amin’ny maro izany satria ny maro dia mihevitra fa ny anton’ny hivavahana dia ny hiadanana fa tsy ho amin’ny fahoriana. Voagejan’ny devoly ianao raha zohim-pahoriana , hoy ny fampianarana sasany. Eny , tsy takatsika izany raha tsy milona amin’ny Soratra Masina isika( Sal. 119 :165 ; Rom.10 :17). Hoy Jesoa: « ….. Aty amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana , nefa matokia ; Izaho efa naharesy izao tontolo izao« . (Jao.16 :33). Miomàna fa efa nateraka ho mpandresy ny Kristiana « Fa izay rehetra naterak’Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao; ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika » . (1 Jao 5 :4)

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.