Mofon’aina – ALAKAMISY 18 JANOARY 2018

5 Ary Josafata nitsangana teo amin’ ny fiangonan’ ny Joda sy Jerosalema, tao amin’ ny tranon’ i Jehovah, teo anoloan’ ny kianja vaovao,6 ka nanao hoe: Ry Jehovah ô, Andriamanitry ny razanay, tsy Ianao va no Andriamanitra any an-danitra? Eny, Ianao no manapaka amin’ ny fanjakan’ ny jentilisa rehetra, ary eo an-tananao ny hery sy ny fahefana, ka tsy misy mahasakana Anao.7 Ry Andriamanitray ô, tsy Ianao va no nandroaka ny mponina tamin’ ity tany ity hiala teo anoloan’ ny Isiraely olonao ka nanome azy mandrakizay ho an’ ny taranak’ i Abrahama sakaizanao?8 Ary nonina tatỳ izy ka nanao fitoerana masina teto ho an’ ny anaranao sady nanao hoe:9 Raha manjo anay ny loza, na sabatra, na famaliana, na areti-mandringana, na mosary, ary hitsangana manatrika ity trano ity sy eto anatrehanao izahay (fa ny anaranao no amin’ ity trano ity) ka hitaraina Aminao amin’ ny fahorianay, dia hihaino Ianao ka hamonjy.
2TANTARA 20 : 5-9

VAVAK’I JOSAFATA

Raha sendra ady sarotra ianao, dia makà lesona avy amin’ity vavaka nataon’I Josafata ity, fa tena mahasoa tokoa.

1-Miantomboka amin’ny fiderana ny herin’Andriamanitra

« Tsy ianao ve no Andriamanitra any an-danitra? Eny Ianao no manapaka amin’ny fanjakana jentilisa rehetra ary eo an-tananao ny hery, ny fahefana ka tsy misy mahasakana Anao? » Tena fiderana an’Andriamanitra noho ny hery sy fahefany, tsy misy fetra no anombohana ny vavaka. Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny vavaka mantsy ny fiderana an’Andriamanitra. Aoka hanokana fotoana ho amin’izany hatrany isika amin’ny vavaka rehetra izay asandratra, fa tsy ny fangatahana foana no hahamaika. Fantany izay tokony ho antsika, na dia mbola tsy miloa-bava akory aza isika. Mahaiza midera an’Andriamanitra!

2-Mampahatsiahy izay efa nataon’ny Tompo tamin’ny lasa

Miomana hanafika an’i Joda ry Moabita sy ny namany. Tora-kovitra ny mpanjakan’I Joda raha nahare izany. Tsy nanaiky ho resin’ny tahotra anefa izy ka nitady an’i Jehovah. Ao anatin’ny vavaka no ampahatsiahiviny ny sy fanavotana efa nataon’Andriamanitra tamin’ny lasa, asa fampanantenana dia ny nanomezany azy ireo tany honenana araka ny tena fikasana. Raha mandinika izay nataony tamin’ny lasa ny mpanjaka dia hahazo toky avy hatrany ny amin’ny famonjena izay hatolony (and.9). Tsarovy izay efa nataony ho antsika tamin’ny alalan’I Jesoa Kristy ary izany no aoka hanantenantsika Azy amin’ny ho avy rehetra.

Fanontaniana

Tena manome lanja ny fiderana ve ny vavaka ataontsika?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !