Mofon’aina – ALAKAMISY 18 MAY 2017

1 Na dia miteny amin’ ny fitenin’ ny olona sy ny anjely aza aho, kanefa tsy manana fitiavana, dia tonga varahina maneno sy kipantsona mikarantsana aho.2 Ary na dia manana faminaniana aza aho ka mahalala ny zava-miafina rehetra sady manana ny fahalalana rehetra, ary na dia manana ny finoana rehetra aza aho ka mahafindra tendrombohitra, kanefa tsy manana fitiavana, dia tsinontsinona aho.3 Ary na dia omeko hohanin’ ny malahelo aza ny fananako rehetra, ary na dia atolotro hodorana aza ny tenako, kanefa tsy manana fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany.4 Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo,5 tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra, tsy manao otri-po,6 tsy mifaly amin’ ny tsi-fahamarinana, fa miara-mifaly amin’ ny fahamarinana kosa,7 mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra.8 Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay; fa raha ny faminaniana, dia ho levona; na ny fiteny tsy fantatra, dia hitsahatra; na ny fahalalana, dia ho foana.9 Fa sombintsombiny ny fahalalantsika, ary sombintsombiny ny faminaniantsika;10 fa rehefa tonga ny tanteraka, dia tsy hisy sombintsombiny intsony.11 Fony mbola zaza aho, dia niteny toy ny zaza, nihevitra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza; fa nony efa lehibe aho, dia nariako ny fahazazana.12 Fa ankehitriny isika mizaha ao amin’ ny fitaratra ka tsy mahita marina; fa rahatrizay dia mifanatrika; ankehitriny sombintsombiny no fantatro; fa rahatrizay dia ho fantatro tsara toy izay nahafantarana ahy.13 Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana: fa ny fitiavana no lehibe amin’ ireo.
I KORINTIANA 13 :1-13

NY TENA FITIAVANA DIA FAHENDRENA

Miseho  amin’ny fananana fitiavana ny fahendrena  eto  ka ny fijerena  ny olona manodidina  ny tena fa tsy  fitiavan-tena  velively akory no entin’ny Soratra Masina manambara izany .

1-Manome lanja ny fisian’ilay manam-pitiavana

Izay  atao tsy amin’ny fitiavana  dia tsinotsinona avokoa  ary latsa-danja  manoloana  ny fivavahan’ny Jentilisa , izay nampiasa ny  varahina maneno  sy ny kipantsona  mikarantsana  raha  mivavaka izy . Ny asa  atao  am-pitiavana  no hahazoantsika  sitraka satria miharihary  ny hatsarampon’ilay  miasa  noho ny  fitiavana nanaovana  izany . Tsarovy  Jesoa Kristy nanolotra ny ainy  ho antsika. Vitany indray mandeha  monja teo amin’ny hazo fijaliana  ny famonjena antsika. Tsy misy manana  fitiavana lehibe  noho izao dia ny manolotra ny ainy  hamonjy ny sakaizany  (Jao 15 :13). Aoka hiasa  amin’ny fitiavana  toy izany isika.

2-Mitoetra mampiray  amin’ny fahamarinana

Ireo  toetran’ny tena fitiavana hita eto  amin’ny and 4-7 dia mampianatra  ny kristiana handini-tena manolona  ny olona  iarahany sy ny olona manodidina azy. Mitarika antsika  mihitsy  hanahaka  an’i Jesoa Kristy  izany. Izy no hery  sy fahendren’ Andriamanitra. Koa anjarantsika  ny manolokolo  ny fitiavany antsika   amin’ny alalan’ny finoana Azy .Manamafy   izany fa tsara  ny fanantenana  sy ny finoana fa sty feno  ireo  raha tsy efa  ao  ny  fItiavana ambony indrindra .

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !