MOFON’AINA ALAKAMISY 18 OKTOBRA 2018

1 Aza mitsara, mba tsy hotsaraina ianareo.2 Fa araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo; ary araka ny ohatra ataonareo no hanoharana ho anareo.3 Ary nahoana ianao no mijery ny sombin-kazo eo amin’ ny mason’ ny rahalahinao, fa ny andry eo amin’ ny masonao dia tsy mba tsaroanao?4 Ary ahoana no hilazanao amin’ ny rahalahinao hoe: Aoka aho hanaisotra ny sombin-kazo eo amin’ ny masonao; nefa, indro, ny andry eo amin’ ny masonao?5 Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin’ ny masonao, ary amin’ izay vao ho hitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo amin’ ny mason’ ny rahalahinao.
MATIO 7 : 1-5

ANDRIAMANITRA IRERY IHANY NO  MARINA

Nomen’ny Tompo Jesoa fampianarana manokana isika mba tsy hihatsaravalatsihiy sy hanaratsy namana. Mivantana amintsika izao didy izao satria mora halaim- panahy isika raha mba mijery ny namantsika.

1- Mitaona antsika handinin-tena i Jesoa

Manampy antsika hamantatra ny tenantsika sy ny toetrantsika i Jesoa mba tsy ho maika hilaza ny toetran’ny hafa isika (and.1-2). Rariny raha vitantsika ny manitsy ny tenantsika amin’ny fijerena ny hafa. Nataon’i Jesoa mazava tsara ny toe-javatra miandry izay mitsara ny namany raha hoy Izy : « ny ohatra ataonareo no hanoharana ho anareo » izany hoe, te hisakana antsika tsy hanaratsy ny hafa mihitsy Izy satria isan’ny tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra ny mpanaratsy (l Kor.6. 9-10). Aoka hotandremantsika izao didy izao fa toeran’Andriamanitra ny fitsarana.

2- Mandraisa andraikitra amin’ny tenanao

Sombin-kazo no anarana ilazàna ny zavatra hitantsika momba ny namantsika ka handratrantsika azy amin’ny teny. Zavatra tsy toy inona raha ampitahaina amin’ny momba antsika izay toy ny andry lehibe misakana ny làlana izany hoe, asaina mandray andraikitra isika hanaisotra ny sakan-dàlana toy ny fialonana, fankahalana,… izay mampizotra antsika ho very ka tsy hahita nv fiainana mandrakizay. Manan-kerv hanafaka sy hamonjy antsika i Jesoa Kristy satria izany no nandatsahany ny ràny teo amin’ ny hazo fijaliana. Manapaha hevitra hanafaka ny tenantsika ao anatin’ny faharatsiana samihafa.

Fanontaniana :

Mety ve ny manana ady amin’ny manodidina ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !