Mofon’aina – Alakamisy 19 janoary 2017

9 Fa hoy Jonatana: Sanatria raha hahazo anao izany! Fa raha fantatro tokoa fa misy ratsy ifofoan’ ikaky anao, dia hambarako aminao mihitsy izany.10 Dia hoy Davida tamin’ i Jonatana: Iza no hanambara izany amiko, na hampandre ahy izay teny sarotra havalin-drainao anao ?11 Ary hoy Jonatana tamin’ i Davida: Andeha ary isika hivoaka any an-tsaha. Dia nivoaka tany an-tsaha izy roa lahy.12 Ary hoy Jonatana tamin’ i Davida: Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, anie ho vavolombelona! Rehefa fotorako tsara rahampitso na afaka ampitso toy izao ny hevitry ny raiko, ka hitako fa misy soa ho an’ i Davida, ka tsy maniraka any aminao aho sy manambara izany aminao,13 dia hataon’ i Jehovah toy izany anie Jonatana, eny, mihoatra noho izany aza; fa raha kasain’ ny raiko kosa ny hanisy ratsy anao, dia hambarako aminao izany, ka halefako hianao mba handehananao soa aman-tsara; ary homba anao tahaka ny tamin’ ny raiko anie Jehovah.14 Ary raha mbola velona ihany aho, dia tsy hasehonao ahy va ny fiantran’ i Jehovah mba tsy hahafaty ahy?15 Ary tsy hesorinao amin’ ny taranako koa ny famindramponao mandrakizay, eny, na dia avy aza izay handringanan’ i Jehovah ny fahavalon’ i Davida rehetra tsy ho etỳ ambonin’ ny tany.
1 SAMOELA 20 :9-15

1-Manamafy orina ny fanekena atao Izy

Mpinamana nifankatia i Davida sy i Jonatana, na dia nifofo ny ain’i Davida aza i Saoly, mpanjaka rain’i Jonatana. Noho izany, dia nanao fanekena tamin’i Davida i Jonatana, ka nilaza fa tsy maintsy hanamabara amin’i Davida izay tokony ho fantany momba ny hevitry ny rainy izy. Nantsoina ho vavolombelon’ny fanekena ny Tompo, hanamafy orina ny fanekena, ho fantany isika na hivadi-panekena na handainga na hihatsaravelatsihy.

2-Manatrika amin’ny toerana rehetra Izy

Nifampitaona mangina tany an-tsaha izy mirahalahy , nanao fanekena , saingy vavolombelona ny Tompo . Manatrika Izy na dia any amin’ny toerana mangina aza. Hitany sy reny avokoa ny ataontsika sy ny lazaintsika. Tsy eny ambony alitara na any am-piangonana ihany no hanaovantsika zavatra « eo anatrehan’ Andriamanitra », fa hay vavolombelon’ny tsara sy ny ratsy ataontsika sy ambarantsika any amin’ny toerana rehetra Izy.

3-Loza ho an’ny mpivadika ny maha- vavolombelona

Tsy vavolombelona ny vavolombelona raha tsy sahy milaza ny marina hitany sy reny. Tsy vavolombelona raha tsy sahy mijoro. Rehefa antsointsika ho volombelona ny Tompo dia haharihariny amin’ny fotoana iray ny marina, satria tsy misy takona izay tsy haseho. Koa tandremo fa ny tenin’ny vavolombelona dia manafaka antsika na mandetika ny mpivadi-panekena.

Fanontaniana:

Inona avy no niantsoanao ny Tompo ho vavolombelona ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.
Amen !