MOFON’AINA ALAKAMISY 19 MARTSA 2020

Jehovah ô, efa naneho fitia tamin’ny taninao Hianao, Efa nampodinao Jakoba avy tamin’ny fahababoany. 2 Voaisotrao ny heloky ny olonao, Voasaronao ny fahotany rehetra. 3 Efa nampijanona ny fahatezeranao rehetra Hianao, Ary niala tamin’ny fahatezeranao mirehitra. 4 Miverena aminay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, Ary ampitsaharo ny fahatezeranao aminay. 5 Ho tezitra aminay mandrakizay va Hianao? Hampaharetinao hahatratra ny taranaka fara mandimby va ny fahatezeranao? 6 Tsy hovelominao indray va izahay, Mba hifalian’ny olonao aminao? 7 Asehoy anay ny famindram-ponao, Jehovah ô, Ka omeo anay ny famonjenao. 8 Hihaino izay holazain’i Jehovah Andriamanitra aho; Fa hilaza fiadanana amin’ny olony Izy, dia amin’ny olony masina; Koa aoka tsy hiverina ho ao amin’ny fahadalana ireo. 9 Eny tokoa, akaikin’izay matahotra Azy ny famonjeny, Mba hitoeran’ny voninahitra eo amin’ny tanintsika. 10 Mihaona ny famindram-po sy ny fahamarinana; Mifanoroka ny rariny sy ny fihavanana. 11 Ny fahamarinana mitsimoka amin’ny tany; Ary ny rariny mitsinjo eny an-danitra. 12 Eny, Jehovah hanome ny tsara Ary ny tanintsika hahavoka-javatra. 13 Ny rariny no hialoha Azy, Sady hizotra hanaraka ny diany eny an-dalana.

SALAMO 85 : 1-13

FITIAVANA ANDRIAMANITRA

Ny Soratra Masina iray manontolo dia manondro an’Andriamanitra ho fitiavana. Raha mianatra Soratra Masina mantsy isika dia io fitiavan’Andriamanitra io no anisan’ny foto-pampianarana tena mavesa-danja be ao. Ireto antony manaraka ireto no iantsoana an’Andriamanitra ho fitiavana

  1. Manala amin’ny fahababoana Izy (and 1)

« Efa nampodinao Jakoba avy tamin’ny fahababoany »

Zavatra roa fara-fahakeliny no azo andikana ny hoe mampody amin’ny fahababoana eto

– Mamerina amin’ny laoniny ny fiainam-pirenena: rava noho ny fahababoana ny fiainan’ny firenena Jiosy. Koa noho ny fitiavan’Andriamanitra ny firenena Jiosy dia indro haveriny amin’ny laoniny indray ny fiainam-pirenena

– Manaisotra amin’ny fahoriana: noho ny fahababoana dia tena ory indrindra ny Jiosy. Mafy lavitra noho ny tamin’ny fanandevozana tany Egypta ny fahoriana nahazo ny Jiosy noho ny fahababoana. Rehefa mamaky ny bokin’ny fitomaniana isika dia hahatsapa ny halalin’izany fahoriana izany. Tia ny Jiosy Andriamanitra koa indro Izy manaisotra azy amin’izao fahoriany izao.

Tia antsika koa Andriamanitra ka miezaka mandrakariva mamerina amin’ny laoniny, tamin’izay nahariany azy ny fiainantsika rehetra. Tsy zakan’Andriamanitra ny mahita antsika miaina ao anaty fahoriana koa nirahiny Jesoa Kristy hanaisotra antsika amin’izany.

  1. Mamela heloka Izy (and 2,3)

« Voaisotrao ny heloky ny olonao, Voasaronao ny fahotany rehetra. 3 Efa nampijanona ny fahatezeranao rehetra Hianao, Ary niala tamin’ny fahatezeranao mirehitra »

Anisan’izay hahafantarana an’Andriamanitra ao amin’ny Soratra Masina ny famelany heloka. Manaporofo hatrany ny maha-Andriamanitra fitiavana Azy rahateo izany. Io fahaizan’Andriamanitra mamela heloka io dia tsy tokony hohadinoina dia noho Izy niala tamin’ny fahatezerany. Noho ny fahotan’ny Jiosy no nahatonga an’Andriamanitra nandefa azy ho babo tany Babylona. Niala tamin’izany fahatezerany izany Andriamanitra ka indro mamela heloka ary mamerina ny Jiosy ho amin’ny taniny indray. Andriamanitra tokoa ny Tompo, tsy mitahiry fahatezerana mandrakizay Izy. Mamindra fo sy miantra Izy.

Amin’ny fotoana ankehitriny dia manana tombony lehibe isika kristianina. Noho ny fahotantsika dia tezitra tokoa Andriamanitra. Tsy nampihariny tamintsika anefa izany fahatezerany izany fa nasainy nozakain’i Jesoa teo amin’ny hazo fijaliana. Noho ny fitiavan’Andriamanitra antsika dia natolony Jesoa hizaka ny vokatry ny fahotantsika.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.