MOFON’AINA ALAKAMISY 19 MAY 2022

26Fa raha tonga ny Mpananatra, Izay hirahiko ho aminareo avy amin’ny Ray, dia ny Fanahin’ny fahamarinana Izay mivoaka avy amin’ny Ray, dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy. 27Ary ianareo koa dia vavolombelona hanambara, satria ianareo efa teto amiko hatramin’ny voalohany.JAONA 15: 26-27

NY ASAN’NY FANAHY MASINA EO AMIN’NY MPINO

Tsy nanafina tamin’ny mpianatra my toe-javaira tsy maintsy atrehin’izy ireo ao anatin ny fiaraha-monina i Jesoa Kristy Manana fahavalo ny mpianatr’i Jesoa Kristy na dia eo aza anefa izany dia tsy irery ny mpianatra fa hirahin’i Jesoa Kristy ho eo amin’ny mpianatra ny Fanahy Masina izay homba sy hampahery mandrakariva.

1- Fanahy Masina no mampiorina azy ireo (and 26)

Rehefa mandalo fotoan-tsarotra ny fiainan’ny mpanaradia an’i Jesoa Kristy dia mety hiozongozona ny finoana, mety ho kivy. mety hihemotra mihitsy aza satria ao anatin’ny fotoan-tsarotra dia adino i Jesoa Kristy sy ny asany. Ao anatin’izany fotoan-tsarotra izany indrindra no miasa ny Fanahy Masina mampianatra, mampahatsiaro ny amin’i Jesoa Kristy sy ny fiainany, fiainam-pandresena. Mampahery sy mampiorina ao anatin’ny zava-manahirana ny Fanahy Masina. Meteza hotarihin’ny Fanahy Masina.

2- Fanahy Masina no mampijoro azy ireo (and.27)

Rehefa miasa ao anatin’ny mpianatra ny Fanahy Masina. tsaroan’izy ireo ny fampianaran’i Jesoa Kristy dia tafatoetra tsara ny finoany ka afaka mijoro ho vavolombelon’i Jesoa Kristy izy ireo, afaka mitory ny filazantsara, manambara ny famonjena notanterahin’i Jesoa Kristy amin’ny olona hafa. Mahajoro ho vavolombelon’ny famonjena notanterahin’i Jesoa Kristy izay rehetra manana ny Fanahy Masina, mampionona sy mampahery azy ao anatin’ny toe-javatra rehetra

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.