MOFON’AINA ALAKAMISY 19 NOVAMBRA 2020

Ary tokony hanao izany indrindra isika, satria fantatsika ny andro, fa ankehitriny izao dia ora tokony hifohazanareo amin’ny fahatoriana; fa ankehitriny ny famonjena antsika dia akaiky noho ny tamin’ny andro vao ninoantsika. 12 Efa ho lasa ny alina, ka efa mby akaiky kokoa ny andro, koa aoka hariantsika ny asan’ny maizina ka hitafiantsika ny fiadian’ny mazava. 13 Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin’ny andro; tsy amin’ny filalaovan-dratsy, na amin’ny fahamamoana, tsy amin’ny fijangajangana, na amin’ny fijejojejoana, tsy amin’ny fifandirana, na amin’ny fialonana. 14 Fa itafio Jesoa Kristy Tompo, ary aza miahy ny amin’ny nofo hahatanteraka ny filany
ROMANA 13 : 11-14

NY MAHA-OLOM-BOAVONJY

Ny Epistily nosoratan’i Paoly ho an’ny Romanina dia Epistily lehibe, lehibe eo amin’ny Teôlôjia satria ireo ngezalahy rehetra amin’ny fandinihana Soratra Masina dia saika nandinika sy nandika ary nanazava azy avokoa. Lehibe koa satria tena fampianaram-pinoana goavana no resahin’i Paoly ao. Lehibe ny fampianarana satria ireo kristianina tao Roma dia Kristianina niaina tamin’ny tanan-dehibe, raha ny marina Roma tamin’ny andron’i Jesoa no noheverina fa renivohitr’izao tontolo izao. Be dia be ny olona tao arak’izany, ary maro koa ireo mpampianatra tao. Natanjaka be koa ny Filôzpofia samihafa izay tena nivoy ny fahendren’olombelona. Tsy voatery nahasoa anefa izy ireny. Noho Roma renivohitra dia maro ny zavatra mety hahavariana ny mino ka nahatonga an’i Paoly niteny hoe « ora tokony hifohazanareo » izao. Amin’i Paoly ny olom-boavonjy dia

  1. Efa nifoha (and 11)

« Ary tokony hanao izany indrindra isika, satria fantatsika ny andro, fa ankehitriny izao dia ora tokony hifohazanareo amin’ny fahatoriana »

Ny fotoana ankehitriny hoy Paoly dia tsy fotoana fatoriana intsony. Noho izany tsy olon’ny torimaso, tsy olon’ny alina, tsy olon’ny tsy fiasana na ny fialan-tsasatra ny mino. Olon’ny mazava ny mino, olon’ny andraikitra. Olona efa afaka tamin’ny tontolon’ny alina sy ny haizina koa ka tsy misy zava-maizina mamatotra azy intsony.

Tsy fatoran’ny alina sy ny zavatry ny alina arak’izao ny mino. Efa olon’ny fahazavana izy, zanak’Andriamanitra rahateo izy ka tsy voaazon’ny alina sy ny zava-misy ao aminy. Mampitandrina antsika Paoly fa raha tsy mahay isika dia zanaky ny Mazava mety hanao fanaon’ny alina. Amin’ny maha-zanaky ny andro ny mino koa dia mila miasa ho an’Andriamanitra izy. Izay no tsy hahatonga ny alina ho afaka mihazona azy.

  1. Tsara fitondrantena (and 12)

« Efa ho lasa ny alina, ka efa mby akaiky kokoa ny andro, koa aoka hariantsika ny asan’ny maizina ka hitafiantsika ny fiadian’ny mazava »

Amin’ny alina dia azo afenina ny zavatra ataon’ny olona, mety ho takona ka tsy misy mahita mihitsy aza izany. Rehefa tonga kosa anefa ny atoandro, rehefa tonga ny andro dia hita miharihary avokoa ny zavatra rehetra ataon’ny olona. Amin’ny maha-kristianina, satria efa ho hita miharihary ny zavatra rehetra atao dia mila mitandrina tsara amin’izay atao, amin’izay tenenina, amin’izay hitondrana ny tena mihitsy. Zanaky ny Mazava rahateo no niantsoan’i Paoly ny kristianina (Efe 5. 8b).

Amin’ny mazava koa no fotoana mety indrindra hisehoan’ny mino amin’ny fitondrantena mendrika rehetra ho vavolombelon’i Kristy. Jesoa raha teto amin’izao tontolo izao dia nitandrina tsara mihitsy io fitondrantena io ka afaka naneho tsara tamin’ny mpiarabelona Taminy ny maha-zanak’Andriamanitra Azy.

  1. Mitafy an’i Kristy (and 14)

« Fa itafio Jesoa Kristy Tompo, ary aza miahy ny amin’ny nofo hahatanteraka ny filany »

Ny fitafiana eto amin’izao andininy izao dia maneho fiarovana. Ny hoe mitafy an’i Kristy dia tena miezaka miaro ny tena amin’ny filàna samihafa amin’ny alalan’i herin’i Jesoa Kristy. Izay mitafy an’i Kristy dia arovan’i Kristy. Mila herin’Andriamanitra isika raha te handresy ny asan’ny nofo izay mitady hamatotra antsika amin’ny asan’ny haizina.

Ny fitafiana koa dia fisehoana amin’ny hafa, izany hoe maneho amin’ny hafa ny maha-izy azy ny tena. Ny mitafy an’i Kristy dia tena maneho indrindra indrindra ny maha-kristianina ny tena, ny maha-olom-boavonjy ny tena. Tsy hoe tafiana fotsiny koa akory Kristy fa tena avela hitoetra ao anaty mba tsy ho endrika ivelany fotsiny koa sanatria ny maha-kristianina antsika.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.