MOFON’AINA ALAKAMISY 20 JANOARY 2022

21 Aza matahotra, ry tany fambolena, miravoravoa sy mifalia; Fa manao zava-dehibe Jehovah. 22 Aza matahotra, ry biby any an-tsaha, fa mihamaitso ny kijana any an-efitra, mamoa ny hazo, ary vokatra ny aviavy sy ny voaloboka. 23 Ary ianareo, ry zanak’i Ziona, miravoravoa sy mifalia amin’i Jehovah Andriamanitrareo; Fa hanome anareo ny loha-orana onony Izy, dia handatsaka ranonorana mivatravatra ho anareo, eny, ny loha-orana sy ny fara-orana aloha. 24 Dia ho feno vary ny famoloana, ary hihoatra ny vata fanantazana ny divay sy ny diloilo. 25 Ary honerako ho anareo ilay taona nohanin’ny valala, dia ny koraika sy ny sompanga ary ny kijeja, izay miaramilako betsaka nalefako hamely anareo. 26 Ary hihinana ianareo ka ho voky dia hidera ny anaran’i Jehovah Andriamanitrareo, fa mahagaga ny fitondrany anareo; Ary tsy ho menatra mandrakizay oloko. 27 Dia ho fantatrareo fa ao afovoan’Isiraely Aho, ary Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, fa tsy misy hafa; Ary tsy ho menatra mandrakizay ny oloko.JOELA 2 :21-27

ANDRIAMANITRA EO AMIN’NY OLONA

1-Manome fitahiana

« Aza matahotra, ry biby any an-tsaha fa mihamaitso ny kijana any anefitra , mamoa ny hazo …(and 22-25) ».

Rehefa niala tamin’ Andriamanitra ny vahoaka dia nofaizin’Andriamanitra izy ireo ka tonga ny andiam-balala sy ny haitany mba hiverenan’izy ireo amin’Andriamanitra indray. Eto dia nampanantena fitahiana sy fiadanana ho an’ny firenena Izy, satria manatrika ny vahoaka. Rehefa manatrika Andriamanitra dia mitondra fitahiana sy fiadanana ho an’ny firenena sy ny vahoaka monina amin’ny tany. Koa Jesoa Kristy, Ilay Andrianan’ny fiadanana efa nomen’Andriamanitra antsika ka izay rehetra mandray Azy sy miara-monina aminy amin’ny alalan’ny finoana ny teniny dia ho voatahy sy hiadana .

2-Loharanom-piderana

« Ary hihinana ianareo ka ho voky dia hidera ny Anaran’i Jehovah Andriamanitrareo… » (and 26)

Rehefa tonga ny fotoana izay isitrahan’ny vahoaka ireo karazam-pitahiana maro samihafa avy amin’i Jehovah, dia taomina hifaly sy hiravoravo ny vahoaka (and 23), ary indrindra hidera ny Anaran’i Jehovah Andriamanitra .Mitarika ho amin’ny fiderana sy fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra ny fanatrehany. Ary ny olona mahatsapa ny fanatrehan’Andriamanitra eo aminn’y fiainany no midera sy manome voninahitra Azy .Tsarovy mandrakariva fa adidin’ olona izay misitraka ny fitahiana sy fahasoavana avy amin’Andriamanitra ny midera Azy. Derao Andriamanitra tamin’ ny namonjeny antsika tao amin’i Jesoa Kristy.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.