MOFON’AINA ALAKAMISY 20 SEPTAMBRA 2018

14 Dia hoy izy roa lahy taminy: Ny ainay no ho faty hisolo anareo, raha tsy holazainareo izao raharahanay izao; ary raha omen’ i Jehovah anay ny tany, dia hamindra fo sy hanao izay marina aminao izahay.15 Dia nampidina azy tamin’ ny mahazaka avy teo amin’ ny varavarankely izy; fa teo amin’ ny màndan’ ny tanàna ny tranony, ary teo amin’ ny mànda no nitoerany.16 Dia hoy izy taminy: Mandehana any an-tendrombohitra, fandrao hifanena aminareo ny mpanenjika, ka miere any hateloana mandra-piveriny; ary rehefa afaka izany, dia vao mandehana any amin’ izay halehanareo.17 Ary hoy izy roa lahy taminy: Izao no tsy hanananay tsiny ny amin’ izany fianianana nampianianinao anay izany:18 Indro, rehefa tonga eto amin’ ny tany izahay, dia hafehinao eo amin’ ny varavarankely izay nampidinanao anay io kofehy jaky io; ary ny rainao sy ny reninao sy ny anadahinao mbamin’ ny ankohonan’ ny rainao rehetra dia hovorinao ho ao an-tranonao;19 ary izay rehetra mivoaka eo am-baravaran’ ny tranonao ho eny ivelany, dia ho eo an-dohany ihany ny ràny, ary izahay tsy hanan-tsiny; fa izay rehetra mitoetra ao aminao ao an-trano, dia ho eo an-dohanay kosa ny ràny, raha tàhiny misy olona maninona azy akory;20 fa raha tàhiny hambarambaranao izao raharahanay izao, dia ho afaka amin’ ny fianianana izay nampianianinao anay izahay.21 Dia hoy ravehivavy: Eny ary, fa marina izany. Dia nampandehaniny izy roa lahy, ka lasa izy; ary nafehiny teo amin’ ny varavarankely ilay kofehy jaky.22 Dia nandeha izy roa lahy ka nankany an-tendrombohitra ary nitoetra tany hateloana mandra-piverin’ ny mpanenjika; ary nitady azy tamin’ ny làlana rehetra ny mpanenjika, nefa tsy nahita.23 Dia niverina izy roa lahy ka nidina avy tany an-tendrombohitra, dia nita ny ony ary nankany amin’ i Josoa, zanak’ i Nona, ka nilaza ny zavatra rehetra izay efa nihatra taminy,24 ka hoy izy tamin’ i Josoa: Efa natolotr’ i Jehovah eo an-tanantsika tokoa ny tany rehetra; ary efa ketraka ny mponina rehetra amin’ ny tany noho ny tahotra antsika.
JOSOA 2 :14-24

Hitantsika eto ny  tohin’ny fangatahan-dRahaba mba tsy haringana rehefa ho azon’ny Zanak’ Israely ny tanàna. Izao àry no hitantsika eto:

1-Nisy ny fanekena natao :

I Rahaba  hitana ho  tsiambaratelo ny fisafoan-tany nataon’ireo  iraka.Ireo  mpisafo tany kosa hanao izay  azony atao hiarovany ny ain’i Rahaba sy ireo fianakaviany amin’ny fotoana hakana ny tany Kanana.

2-Nisy ny famantarana:

Ilay  kofehy mena nampidinana azy  roalahy avy eo am-baravarakely no hafatotra eo aminilay varavarakely ho famantarana ny trano misy ny fianakavian-dRahaba hiarovana ny ainy. Io kofehy jaky mena io, mampahatsiaro antsika ny rà natete tamin’ny tolam-baravaran’ny tranon’Israely tany Egypta ho fiarovana ny ain’ny lahimatoany (Eks 12 :7,13).Ary  io rà tany Egypta io dia tandindon’ny Ràn’i JESOA KRISTY, Ilay Zanakondrin’ Andriamanitra  manaisotra ny fahotan’izao tontolo zao (Jao 1 :29;Heb 9 :14) . Ary izany  dia manorina ny  finoantsika fa tsy  misy famonjena ho antsika ivelan’i Jesoa Kristy maty sy  nitsangana tamin’ny maty ho  antsika, na ny Jiosy na Jentilisa , ka nahatafiditra  an’i Rahaba tao amin’ny tetiaran’i Jesoa (Mat 1 :5).

Ho an’ Andriamanitra irery ny Voninahitra .