Mofon’aina – ALAKAMISY 21 DESAMBRA 2017

2 Ry Isiraely ô, miverena amin’ i Jehovah Andriamanitrao, fa lavon-keloka ianao.3 Mitondrà teny ianareo, eny, miverena amin’ i Jehovah, ka manaova aminy hoe: Mamelà ny heloka rehetra, ary raiso izay tsara, ka dia haterinay ho fanatitra ny molotray.4 Asyria tsy hamonjy anay, tsy hitaingin-tsoavaly izahay sady tsy hiteny amin’ ny asan’ ny tananay intsony hoe: Ry Andriamanitray ô; Fa ao Aminao no ahitan’ ny kamboty famindrampo.5 Hositraniko ny fiodinany, ho tia azy tsy vozonana Aho; Fa efa niala taminy ny fahatezerako.6 Ho tahaka ny ando Aho amin’ ny Isiraely; Hamony tahaka ny lilia izy, ary hamaka tahaka an’ i Libanona.7 Hisandrahaka ny rantsany, ho tahaka ny an’ ny hazo oliva ny hatsaran-tarehiny, ary ho tahaka ny an’ i Libanona ny hanitra avy aminy.8 Izay mipetraka ao ambanin’ ny alokalony dia hampahavokatra vary indray, ary haniry tahaka ny voaloboka izy; Ny lazany ho tahaka ny an’ ny divay avy any Libanona.9 Ry Efraima ô, hataoko inona intsony izay sampy? Izaho dia efa nihaino ka nitsinjo anao; Tahaka ny hazo kypreso maitso Aho, avy Amiko no hahazoana ny vokatrao.10 Iza no hendry mba hahafantatra izany zavatra izany? Na manan-tsaina mba hahalala izany? Fa mahitsy ny lalan’ i Jehovah, ary ny marina no mizotra eny aminy; Fa ny mpanota kosa dia tafintohina eny aminy.
HOSEA 14 :2-10

TSY MAHAFOY ANTSIKA NY TOMPO

1-Mitaona  antsika mba hiverina Aminy (and 2-4)

Tsy hafa  noho ireo  zanak’Israely fahizay  isika  ankehitriny  :  « …fa lavon-keloka ianao » . Ny  fototry   ny  olana  sy ny  fahavoazana  mahazo  antsika dia tsy misy  afa-tsy  izao ihany. Ny fiodinana  amin’ny  Tompo hanompo  andriamaninkafa  mba hisolo ny toeran’ Andriamanitra  ao am-po. Tia antsika  anefa  Izy ka mitaona antsika  indray  mba hiverina Aminy. Ny  hoe: « miverina Aminy » dia  midika   ho fialana amin’ny ratsy  fanao  sady manaiky  Azy amin’ny fo  sy ny saina  manontolo   ho hany  Andriamanitra  tokana. Miantefa  amintsika  ny antso ankehitriny. « Miverena  amin’i  Jehovah  ka manaova   Aminy hoe:  mamelà  ny heloka rehetra… » (and 3);

2-Mampanantena fanasitranana  (and 5-9)

Teny  fampanantenana  no  omeny   antsika izay  tapa-kevitra  fa hiverina  Aminy  :  « hositraniko  ny fiodinany  , ho tia azy  tsy vozonana  Aho, fa efa niala  taminy  ny fahatezerako  » (and 5). Mitondra  fanavotana  tanteraka  ho an’ny olona  sy ny firenena   ny famelankeloka  omen’ny  Tompo. Manome   toky Izy  fa ho « tahaka  ny ando  ho an’Israely ka  hitahy   azy   sy hampamokatra azy » (and 6). Sarin’ny saha  mahavokatra  ahitana  hazo  voatondraka  tsara  sy tany  mamokatra   be  no hanehoana  ny fanasitranana  ampanantenanina izay  miverina  Aminy  . Ny  fiverenan’ny olony amin’ Andriamanitra no  miantoka  ny   fahasitranana  sy  mitondra fiadanana .

Fanontaniana:

Inona  no voka-dratsinan’ny fahotana eo  amin’ny fiainam-bahoaka?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !