Mofon’aina – ALAKAMISY 21 FEBROARY 2018

1 Ny Fanambaran’ i Jesoa Kristy, izay nomen’ Andriamanitra Azy, mba hasehony amin’ ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana; ary naniraka ny anjeliny Izy hanambara amin’ i Jaona mpanompony,2 Izay nanambara ny tenin’ Andriamanitra sy ny filazana an’ i Jesoa Kristy, dia ny zavatra rehetra izay efa hitany.3 Sambatra izay mamaky sy ny mihaino ny tenin’ ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny andro.
APOKALYPSY 1 :1-3

NY IRAK’ ANDRIAMANITRA

Aseho  eto  amin’ity  fitarihan-tenin’ny  Bokin’ny Apokalypsy  ity  maha-izy  ny irak’ Andriamanitra .

1-Mihaino  ary manambara

Ny fanambarany  an’i Jesoa Kristy ho  ren’ny  olona rehetra   no  anjara fanompoana  niantsoany ny  mpanompony . Aseho   eto  fa mba  hahatanteraka  izany  dia Andriamanitra  Ray  no  manome  torohevitra  ny zanany  ny amin’izay   tokony  hambara  sy haseho   . I Jesoa  Kristy  indray  no manolotra  sy mampahafantatra  amin’ny olony izay  tokony   holazainy  amin’ny fanirahany   ny  anjely. Noho  izany   , izay  mahay  mihaino   no afaka  mandray  tsara   ilay  hafatra   sy  mampahafantatra  izany. Isan’andro  ianao  dia mandray  ny hafatr’ Andriamanitra. Meteza  ho tena irak’ Andriamanitra   hanambara   izany amin’ny  manodidina anao.

2-Maneho  ny fikasan’ Andriamanitra 

Tanjon’ Andriamanitra  amin’ny fanirahana  ny  mpanompony  ny hahatonga  izao rehetra  izao  hahalala  fa i  Jesoa Kristy  irery   ihany  no Mpamonjy . Noho  izany  , izay  manaiky  sy mihaino  ary indrindra mitandrina , miaina  amin’ny teny   filazana  ny  amin’i Jesoa Kristy  sy ny asany  notanterahiny teto  amin’izao  tontolo izao  dia mandray  fiainana vaovao  , manana  ny fiainam-pahasambarana . Anjara  fanompoana  hanirahan’ Andriamanitra  ny  mpanompony   araka izany  ny  haneho  izany fikasan’ Andriamanitra   izany  .Koa  raha  nihaino   ianao  , fantatrao  ny làlana  mitondra ho amin’ny fiainam-pahasambarana  dia lazao  , ambarao amin’ny namanao izany .

Fanontaniana:

Fantatrao  ve  ny andraikitra  nifidianan’i Jesoa Kristy anao ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !