Mofon’aina – Alakamisy 21 janoary 2016

22 Nony ampitson’ iny ny vahoaka izay nijanona teny am-pitan’ ny ranomasina dia nahita fa tsy nisy sambokely hafa teo afa-tsy iray ihany, ary Jesoa tsy mba niara-niondrana an-tsambokely tamin’ ny mpianany, fa ny mpianany ihany no nandeha,23 kanefa nisy sambokely hafa avy tany Tiberiasy tonga teo akaikin’ ilay tany nihinanany ny mofo, rehefa nisaotra ny Tompo,-24 koa nony hitan’ ny vahoaka fa tsy teo Jesoa, na ny mpianany, dia niondrana an-tsambokely izy ka nankany Kapernaomy hitady an’ i Jesoa.25 Ary rehefa nahita Azy teny am-pitan’ ny ranomasina izy, dia hoy izy taminy: Raby ô, oviana no tonga teto Ianao?26 Jesoa namaly azy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Mitady Ahy ianareo, nefa tsy noho ny nahitanareo famantarana, fa noho ny nihinananareo ny mofo ka voky.27 Aza miasa hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina izay maharitra ho fiainana mandrakizay, izay homen’ ny Zanak’ olona anareo; fa Izy no nasian’ Andriamanitra Ray tombo-kase.28 Dia hoy ireo taminy: Inona no hataonay mba hiasanay ny asan’ Andriamanitra?29 Jesoa namaly ka nanao taminy hoe: Izao no asan’ Andriamanitra, dia ny hinoanareo Izay nirahiny.30 Dia hoy ireo taminy: Inona ary no famantarana ataonao, mba ho hitanay ka hinoanay Anao? Inona moa no asa ataonao?31 Ny razantsika nihinana ny mana tany an-efitra, araka ny voasoratra hoe: Mofo avy tany an-danitra no nomeny azy hohaniny [Sal. 78. 24] .32 Dia hoy Jesoa taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Tsy Mosesy no nanome anareo ny mofo avy tany an-danitra; fa ny Raiko no manome anareo ny tena mofo avy any an-danitra.33 Fa ny mofon’ Andriamanitra dia Ilay midina avy any an-danitra ka manome fiainana ho an’ izao tontolo izao.
JAONA 6 :22-33

MANEHO NY MAHA- FIAINANA AZY NY TOMPO

Maneho maha- fiainana Azy ny Tompo, kanefa tsy takatry ny olona izany, satria mifono hevitra hafa noho izay mahazatra. Noho izany :

1-Rarany ny hitady Azy hahazoan-javatra fotsiny

« Aza miasa hahazo hanina mety ho levona », hoy Izy tamin’ireo izay nitady Azy (and 27). Ireto olona ireto no nisahirana nikaroka sy nitady izay nisy an’i Jesoa mba hahazoany mofo indray, satria nomeny hanina ireo ka voky. Maro ny mitady an’i Jesoa atsy ho atsy, mifindra fiangonana sy mitady mpitarika mahay fahagagana, hahazoan-javatra fotsiny. Raran’ny Tompo ny toy izany.

2-Tarihany ny olona hino Azy

« Izao no asan’ Andriamanitra dia ny hinoanareo izay nirahiny » (and29). Maro tamin’ny Jiosy no tsy nino fa nirahin’ Andriamanitra sady avy aminy i Jesoa. Tsy mpanome izay mahafapo antsika fotsiny Izy, fa iraky ny Ray hanome fiainana ho an’izao tontolo izao . Mahagaga fa takon’ny zavatra hitan’ny masony ny olona ka tsy mahalala ny asan’ Andriamanitra ao ambadik’izany. Na dia nanome mofo hohanin’izy ireo aza i Jesoa, dia takon’ny fanomezana mofo ny iraky ny Ray an’i Jesoa ka foana ny finoana, na dia nomena mana aza ny Zanak’Israely dia takon’ny mana ny mason’izy ireo ka tsy tsaroany ny asan’ Andriamanitra namonjy azy. Izany no nilazan’i Jesoa hoe : « Tsy i Mosesy no nanome anareo mofo … » .Mety hanakona ny Tompo sy hanimba finoana ny manompo hahazoan-javatra fotsiny. Koa mitandrema !

Fanontaniana :

Inona no antony hitadiavanao ny Tompo sy hanekenao hanompo Azy ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.Amen !