MOFON’AINA ALAKAMISY 21 OKTOBRA 2021

1 Koa raha misy famporisihana ao amin’ i Kristy, raha misy fampiononana avy amin’ ny fitiavana, raha misy firaisana amin’ ny Fanahy, raha misy famindrampo sy fiantrana,2 dia tanteraho ny fifaliako, mba hiraisanareo saina, miray fitiavana, miray fo, miray hevitra,3 tsy manao na inona na inona amin’ ny fifampiandaniana, na mandrani-tena foana fa amin’ ny fanetren-tena dia aoka samy hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany.4 Aza samy mihevitra ny azy ihany, fa samy ny an’ ny namany koa.
FILIPIANA 2 : 1 – 4

Ampianarin’i Paoly ny amin’ny fitondran-tena mahamendrika ny Kristiana ny Fiangonana tao Filipy eto, indrindra ny amin’izay tokony ho fiainana ao amin’ny fiangonana ka ambarany amin’izany fa tena ilaina ny :

1 – Firaisan-tsaina (and 2)

Asongadin’i Paoly fa tena ilain’ny fiangonana ny firaisan-tsaina. Ny hevitry ny hoe : firaisan-tsaina eto dia fahaiza-mifanaraka amin’ny zavatra atao, mahay mampandefitra ny hevitry ny hafa hisian’ny fiombonana. Taomina ihany koa isika hanana izany toetra mikatsaka ny firaisana izany mandrakariva. Ato amin’ny fiangonantsika dia misy hoe : « hanaja sy handefitra amin’ny hevitra tapaky ny maro ». Koa tanteraho ary ny fanekena natao.

2 – Fanetren-tena (and 3)

Voalazan’i Paoly eto fa ny « fanetren-tena » dia midika ho tsy fiheveran-tena ho zavatra fa ny ahy ihany no heveriko fa marina, na mety sy mitombina fa ny an’ny hafa kosa dia tsy azo ekena. Io tsy fananana fanetren-tena io no fototry ny olana amin’ny fiangonana maro, samy miziriziry ho manana ny marina ka tsy vonona hifandefitra intsony hany ka voailika tanteraka i Kristy fa hevitr’olombelona no itompoana teny fantatra. Ianao kosa, alaviro izany !

3 – Fitiava-namana (and 4)

Asain’i Paoly « samy hihevitra ny an’ny namany » ny Fiangonana, izany hoe : hiala amin’ny fitiavan-tena . I Jesoa no tonga ao an-tsaina avy hatrany tamin’ny fanolorany ny ainy mihitsy ho famonjena antsika. Izany no fitiavana faratampony . Ianao koa, tanteraho ny baikon’i Jesoa hoe :   « Tiava ny namanao tahaka ny tenanao ».

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.