Mofon’aina – ALAKAMISY 21 SEPTAMBRA 2017

37 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:38 Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely, ka asaovy asiany somotraviavy ny sisin’ ny fitafiany hatramin’ ny taranany fara mandimby, ary aoka hasiany kofehy manga eo amin’ ny somotraviaviny.39 Ary ho somotraviavy ho anareo izany, ka raha jerenareo, dia hotsarovanareo sy hankatoavinareo ny didin’ i Jehovah rehetra; ary tsy handeha araka ny fonareo ianareo, na araka ny masonareo, izay andehananareo hijangajangana,40 mba hotsarovanareo sy hankatoavinareo ny didiko rehetra, ka dia ho masina ho an’ Andriamanitrareo ianareo.41 Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta mba ho Andriamanitrareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
NOMERY 15 :37-41

NY  MAHA- VAHOAKAN’ANDRIAMANITRA

1-Manaraka  ny toromarika omena azy  

Mba hampiavaka  ny  Zanak’ Israely  amin’ireo  firenena hafa  manodidina azy  dia misy toromarika  manokana  mahakasika  ny fitafiana asain’ Andriamanitra hotanterahina eto . Ny  faneken’ny  zanak’ Israely hanatanteraka izany  dia maneho  fa matoky  sy mankato  ny didin’ Andriamanitra izy ireo  sady afaka mijoro  ho vavolombelon’ny fifidianan’ Andriamanitra  azy  amin’ny firenena  hafa manodidina . Tsarovy  fa raha manaiky  hitafy  ny fitafiana  mampiavaka ny Zanak’ Andriamanitra isika dia afaka hijoro  ho vavolombelony  eo  amin’ny fiaraha-monina misy antsika .

2-Manokan-tena  ho an’ Andriamanitra 

Fitafiana  miavaka  no asaina  hanaovan’ny Zanak’ Israely. Fanehoana  ny maha- vahoakan’ Andriamanitra azy ireo  izany  nefa koa fanehoana fa manokana ny tenany, ny fiainany  ho an’ Andriamanitra izy ireo. Tsarovy  àry  fa ny vahoakan’ Andriamanitra dia tokony  haneho  eo amin’ny manodidina  azy  fa  « masina » ho an’ Andriamanitra ka  tsy hanao fitafiana mifanohitra amin’izany. Mitafy  an’i Jesoa Kristy  ka mifanaraka amin’izany  ny fisehony  eto  amin’izao  tontolo  izao.

Fanontaniana:

Manao  ahoana ny fitafianao  maneho  ny maha- Zanak’ Andriamanitra   ve? Afaka mamaritra ny  endriky ny fitafiana maneho  ny maha- Zanak’ Andriamanitra ve ianao?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen!