Mofon’aina – Alakamisy 22 desambra 2016

10 Samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana izay noraisinareo, dia tahaka ny mpitandrina tsara ny fahasoavana maro samy hafa izay an’ Andriamanitra.11 Raha misy olona miteny, dia aoka izy hiteny toy ny milaza tenin’ Andriamanitra, raha misy olona manompo, dia aoka izy hanao izany araka ny hery izay omen’ Andriamanitra azy; mba hankalazana an’ Andriamanitra amin’ ny zavatra rehetra amin’ ny alalan’ i Jesoa Kristy; fa Azy ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena.
1 PETERA 4 :10-11

FIFAMPITONDRAN’NY SAMY MPINO

Mampahery ny kristiana ny mpanoratra eto mba haharitra amin’ny fahoriana, hahay miara-miatrika ny fiainana araka izay azon’ny rehetra ifanampiana. Ka toy izao no fanatanterahana izany :

1-Mampiasa ny fanomezam-pahasoavana nomen’ny Tompo (and 10)

Ny fanomezam-pahasoavana avy ny tsirairay. Avy amin’ Andriamanitra avokoa ireny ka tsy natao hanasoavana ny tena ihany, fa indrindra indrindra ho fanampiana ny hafa . Harena lehibe ho an’ny fiangonana ny fahaiza-mitrandraka ny fanomezam-pahasoavana ananan’ny isambatan’olona. Mifameno izy ireny ka mahasoa ny rehetra raha ifampizarana sy ifanompoana.

2-Manome voninahitra an’ Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra (and 11)

Na amin’ny fampiasana ny fanomezam-pahasoavana na amin’ny asa rehetra atao , na inona na inona dia ampianarina isika mba hanao izany amin’ny fo manontolo ; ary manao izany toy ny ho an’ny Tompo . Tokony ho toy izany mandrakariva no toe-tsaina ho entina manompo ao amin’ny fiangonana , eny fa na ao an-tokantrano sy any amin’ny fiaraha-monina aza.Tiy izany koa ain’ny fiteny (and11), tokony ho teny mitondra fampaherezana hatrany no ho ren’ny olona avy aminn’y vavantsika . Tsarovy fa i Jesoa dia tsy mikendry afa-tsy ny hankalazana ny Ray tamin’izay rehetra nataony.

Fanontaniana:

Inona no fanomezam-pahasoavana mampiavaka aanao amin’ny hafa?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.Amen !