Mofon’aina – ALAKAMISY 22 JONA 2017

12 Fa isika tsy nandray ny fanahin’ izao tontolo izao, fa ny Fanahy Izay avy amin’ Andriamanitra, mba ho fantatsika izay zavatra nomen’ Andriamanitra antsika.13 Izany koa no lazainay, tsy amin’ ny teny ampianarin’ ny fahendren’ olona fa amin’ ny teny ampianarin’ ny Fanahy, raha milaza zava-panahy amin’ izay olona araka ny Fanahy izahay.14 Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an’ ny Fanahin’ Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany.15 Fa ny olona araka ny Fanahy kosa dia mahafantatra ny zavatra rehetra, kanefa izy tsy fantarin’ olona.16 Fa iza no nahafantatra ny sain’ ny Tompo mba hampianatra Azy ?. Fa izahay manana ny sain’ i Kristy.
1 KORINTIANA 2 :12-16

NY ASAN’NY FANAHY MASINA  AO  AMIN’NY MINO

1- Ny olona  araka ny Fanahy 

Mandray  ny Fanahy   izay  avy amin’ Andriamanitra  ny mino  (and 12). Mampianatra  ny  mpino  sy ny Fiangonana  ny Fanahy Masina  hino  sy hahalala  an’i Jesoa Kristy  Tompo  sy ny sitrapon’ Andriamanitra . Mandray ny fanomezan’ Andriamanitra  avy amin’ny Fanahy  Masina ny mino  (and 14) izay antsoina  hoe: « fanomezam-panahy na fanomezam-pahasoavana »(1 Kor 12 :4-11. Mahafantatra  ny zavatra rehetra  ny olona  araka ny Fanahy (and 15). Fantany  tsara  ny tokony hatao  sy ny tsy tokony hatao. Mizotra amin’ny fanazavan’ny Fanahy Masina  ny mino  an’i Jesoa Kristy  amin’ny fampianarany  na ny  toriteniny  sy ny fiainany (and 12) .

2-Ny olona  araka ny nofo 

Ilazana  ny olona  tsy nandray ny Fanahy Masina. Eo  amin’ny Fiangonana  ihany   koa  dia misy ny olona  araka ny nofo  (and 14). Tsy  manaiky ho baikon’ny Fanahy Masina  izy ireny. Ny fahalalana  sy  ny fahaizana  ary ny filàna  ao  aminy   no manapaka  ny fiainany manokana  eo amin’ny asa  sy ny fanompoana ny Tompo. Miorina  amin’ny fahendrena  araka  an’izao tontolo izao  fa tsy araka an’i Kristy, ilay fahendren’ Andriamanitra  ny olona araka ny nofo. Mitoetra amin’ny fahotana mandrakariva  ny olona  araka ny nofo. Isaorana  ny Tompo fa ny fikasany dia ny  handraisan’ny olona rehetra ny Fanahy Masina (Joela 3 :1). Ambarao  amin’ny olona rehetra  izany avaovao  izany.

Fanontaniana:

Diniho : olona araka ny Fanhy MASINA

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !