MOFON’AINA ALAKAMISY 22 SEPTAMBRA 2022

4 Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoriantsika; kanjo isika kosa nanao azy ho nokapohina sy nasian’Andriamanitra ary nampahorina. 5 Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika, ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika. 6 Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry, samy efa nivily ho amin’ny lalantsika avy isika rehetra; ary nataon’i Jehovah nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra. 7 Nampahorina Izy, nefa nanetry tena ka tsy niloa-bava, dia tahaka ny zanak’ondry entina hovonoina, sy tahaka ny ondrivavy izay moana eo anatrehan’ny mpanety azy, eny, tsy niloa-bava Izy. 8 Ny fampahoriana sy ny fitsarana no nenti-nanaisotra Azy; ary iza tamin’ny niara-belona taminy no nihevitra fa nofongorana niala tamin’ny tanin’ny velona Izy, ka ny fahadisoan’ny oloko no nikapohana Azy? 9 Ary nokasaina hatao tao amin’ny olo-meloka ny fasany (Nefa teo amin’ny mpanankarena Izy, rehefa novonoina), na dia tsy nanao ratsy aza Izy, sady tsy nisy fitaka teo am-bavany.ISAIA 53:4-9

NIKELY AINA TAMINTSIKA NY TOMPO

1-Nitondra ny aretintsika

« nitondra ny aretintsika tokoa Izy » (and 4) .Vokatry ny nataontsika olombelona dia maro ireo setrin’izany, izay tokony nihatra tamintsika toy ny fijaliana, fanaintainana, aretina, ratra, kanefa nentin’ny Tompo .Maneho an’i Jesoa mpanasitrana izao fitondrany ny aretintsika izao.

2-Nivesatra ny fahoriantsika

« sady mivesatra ny fahoriantsika » (and 4b). Tsy miady irery isika fa eo hatrany Jesoa mitondra ny fahoriantsika. Miantso antsika izay miasa fatratra sy mavesatra entana ny Tompo ary mampanantena fitsaharana ho antsika (Mat 11 :28). Apetraho Aminy ny fanahiantsika rehetra.

3-Voalefona noho ny fahadisoantsika

Voasoratra fa « fahafatesana no tambin’ny ota « (Rom 6 :23). Isika no tokony ho faty noho ny fahotantsika. Jesoa kosa no nanolo-tena ka nolefonina hisolo antsika .Tia antsika nyTompo. Nahafoy ny ainy hamonjy ny sakaizany Izy.

4-Nisolo vaika ny helontsika Izy

« ary nataon’i Jehovah nihatra taminy avokoa ny helontsika rehetra » (and 6). Ny fahadisoantsika rehetra, ny tsy fahombiazantsika, ny tsy fahatrarantsika ny tanjona sy ny fanamby izay napetraka tamintsika dia nafatratra tamin’i Jesoa avokoa. Mitaky fandinihan-tena avy amintsika izany.

5-Tsy niloa-bava akory

Afaka nandà tanteraka ny fiampangana sy ny fampijaliana nihatra taminy ny Tompo, nefa tsy niloabava Izy (and 7).

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.