Mofon’aina – Alakamisy 23 martsa 2017

28 Ary mianara ny fanoharana ny amin’ ny aviavy: Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona.29 Dia tahaka izany koa hianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky eo am-baravarana Izy.30 Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mba ho lany ity taranaka ity mandra-pahatongan’ izany rehetra izany.31 Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.32 Fa ny amin’ izany andro na ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjely any an-danitra, ary na dia ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany.33 Mitandrema, miambena, ka mivavaha; fa tsy fantatrareo izay hihavian’ ny fotoana.34 Izany dia tahaka ny olona nandeha hivahiny, izay nandao ny tranony ka nanome fahefana ny mpanompony, ka samy notolorany ny raharahany avy, ary ny mpiandry varavarana dia nasainy niambina tsara;35 Koa miambena hianareo, fa tsy fantatrareo izay andro hihavian’ ny tompon-trano, na ho hariva, na ho mamatonalina, na ho maneno akoho, na ho maraina,36 fandrao avy tampoka izy ka mahita anareo matory.37 Ary izay lazaiko aminareo dia lazaiko amin’ ny olona rehetra koa: Miambena
MARKA 13 :28-37

ANTSO  HO AMIN’NY FIBEBAHANA

1-Mbola  hiverina  ny Tompo

Ampiasain’i Jesoa Kristy  indray eto ny fanoharana ny amin’ny aviavy  mba hahafahan’ny mpianatra  mandray  fampianarana, fananarana hiatrehana ny  ho avy. Ahafahan’ny olona mamantatra ny fizaran-taona  sy  ny  fiovana  ny aviavy  rehefa mamontsika. Araka izany, dia hampahafantatra  ny olona i Jesoa Kristy fa hisy  tokoa  ny zavatra  hitranga   amin’ny fotoana  hiverenany  indray. Hiova  ny toe-javatra  misy  iainan’ny olona eto  amin’ity   izao tontolo izao  ity. Noho izany, tsy tokony  ho variana   fa hiomana mandrakariva hiandry ny fiverenany .

2-Mila miomana mandrakariva isika

Hiverina ny Tompo. Raha fantatra  ny fotoana hiverenany   dia afaka mandamina  ny fotoana ho fiomanana  ny mpannara-dia Azy. Ambarany  mazava  tsara anefa  fa tsy misy mahalala  io fotoana  hiverenany  io. Andriamanitra irery  ihany, Ilay naniraka Azy. Araka izany, ny fiomnana  tsara indrindra  ho an’ny mpino   dia ny fiambenana. Fampiorenana  ny finoana   hahafahana  mitoetra  ho mahatoky  ao amin’ Andriamanitra  amin’ny fankatoavana ny sitrapony, fanafoanana ny sitrapon’ny tena. Miambina  amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fandinihana  ny fiainana ny Tenin’ Andriamanitra. Fiainana  amin’ny fahamasinana  araka an’ Andriamanitra. Mahaiza  àry miomana  fa tsy  ho fantatrao  ny fotoana  hiavian’ny Tompo indray.

Fanontaniana:

Raha ho avy   ny Tompo, vonona ve ianao ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !