Mofon’aina – ALAKAMISY 23 NOVAMBRA 2017

21 Ary ianareo, izay olon-ko azy fahiny sy fahavalo tamin’ ny sainareo noho ny fanaovan-dratsy, no efa nampihavaniny ankehitriny 22 tao amin’ ny tenan’ ny nofony, tamin’ ny fahafatesana, mba hatolony ho masina sady tsy hanan-tsiny amam-pondro eo anatrehany,23 raha maharitra amin’ ny finoana hianareo ka mafy orina sady tafatoetra ary tsy mety hafindra hiala amin’ ny fanantenana avy amin’ ny Filazantsara, izay efa renareo sady notorina eny ambanin’ ny lanitra rehetra eny; ary izany no nanaovana ahy Paoly ho mpanompo.
KOLOSIANA 1 :21-23

Manoloana ireo fampianaran-diso  marobe  tany Kolosia izay  manohitra sy manda ny maha- Kristy an’i Jesoa dia miezaka  manao  fampianaram-pinoana  i Paoly Apostoly.

I KRISTY  NO FAMPIHAVANANA

1-Nandray  antsika  ho masina (and 21-22)

« Ianareo  olon-ko azy  fahiny  sy fahavalo  tamin’ny sainareo noho ny fanaovan-dratsy » dia midika  fa nisaraka , tapaka , nisintaka ary nankahala  an’ Andriamanitra  noho ny fahotana  ny olona . Midika  ho fanovana  na fanesorana  hatramin’ny fakany   ny  hevitry  ny fampihavana eto. Koa   noho ny fahotana dia lavitra  an’ Andriamanitra ny olombelona, fa noho  ny fahafatesan’i Jesoa Kristy  teo  amin’ny hazo fijaliana kosa  dia ovana  akaiky  Azy isika. Miara-maty Aminy ary miara-hatsangana  amin’i Kristy ny mpino, ka manjary  masina tahaka Azy (Efes 1 :4).

2-Mampaharitra  amin’ny finoana (and 23)

Izay resy lahatry ny fampihavanana ataon’i Kristy  ihany  no manam-pinoana sy maharitra amin’izany. Ny  faharetana  sy fiorenana  ao amin’i Kristy  ilay fanorenana tsara indrindra (1 Kor 3 :11) no kitro  ifaharan’ny fitoriana ny Filazantsara maneran-tany  sy hanaovan’ny mpino  ny asa fanompoana. Vokatra madiodion’ny fiovam-pon’ny mpino, araka izany  ny asa fitoriana fa tsy  haitraitra na filàna  raharaha  tsy akory. Ny fiainan’ny mpino mihitsy  no miova  ho vaovao  (2 Ko 5 :17) ka mibaiko  azy  amin’ny fitiavan’i Kristy  ary  mitarika azy  ho amin’ny asa tsara  samihafa .

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !