Mofon’aina – ALAKAMISY 24 AOGOSITRA 2017

11 Ary raha nasandratr’ i Mosesy ny tànany, dia nahery ny Isiraely; fa raha nampidininy ny tànany, dia nahery kosa ny Amalekita.12 Fa efa vizana ny tànan’ i Mosesy; ka dia naka vato izy roa lahy, ka nataony teo ambanin’ i Mosesy hipetrahany; ary Arona sy Hora dia nanohana ny tànany, ka ny iray tamin’ ny anila, ary ny iray kosa tamin’ ny anila; dia naharitra tsy nidina intsony ny tànany mandra-pahafatin’ ny masoandro.13 Ary Josoa dia nandresy ny Amalekita sy ny olony tamin’ ny lelan-tsabatra.14 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Soraty eo amin’ ny boky izany ho fahatsiarovana, ka ambarao amin’ i Josoa; fa hofoanako tokoa ny fahatsiarovana ny Amalekita tsy ho eny ambanin’ ny lanitra.15 Dia nanorina alitara Mosesy ka nanao ny anarany hoe: Jehovah Nisi.
EKSODOSY 17 :11-15

Mandresy ny fijaliana ny mpino

1-Miankina amin’Andriamanitra

Ny fanandratan’i Mosesy ny tanany dia mampiharihary ny fiankinany sy ny  finoany an’Andriamanitra. Nitondra fandresena lehibe izany.Midika  vavaka sy fifonana io tanan’i Mosesy misandratra io. Mifampiankina amin’io vavaka io ny valim-bavaka teo amin’ny vahoaka. Soa ihany fa eo Jesoa araka izay voalaza ao amin’ny Hebreo 7 :25 : «Koa amin’izany dia mahavonjy tokoa izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany Izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy ».

2-Miray hina

Ny firaisan-kina teo amin’i Arona sy Hora miaraka amin’i Mosesy andaniny ary teo amin’i Josoa sy ny vahoaka ankilany, dia midika ho finoana arahin’asa mitondra  ho amin’ny fandresena : nanampy an’i Mosesy i Arona sy Hora, nanohana ny tanany. I Josoa  kosa niatrika mivantana ny ady. Hoy ny bokin’ny Ohabolana hoe : «Ary ny fahaizana mandamina tsara no entinareo miady» (Ohab. 24 :6).

Fanontaniana :

Inona avy no azo atao ho fampiharana sy hampitombo ny fiankinana amin’Andriamanitra ary ny firaisan-kina eo amin’ny samy mpanompo ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !