Mofon’aina – ALAROBIA 24 JANOARY 2018

7 Aoka ho menatra izay rehetra manompo sarin-javatra voasokitra sy miarahaba tena ny amin’ ny andriamani-tsi-izy; Miankohofa eo anoloan’ i Jehovah ianareo andriamanitra rehetra.8 Ziona mandre ka faly; Ary ravoravo ny zanakavavin’ i Joda Noho ny fitsaranao, Jehovah ô.9 Fa Ianao, Jehovah ô, no avo indrindra ambonin’ ny tany rehetra; Efa avo ambonin’ ny andriamanitra rehetra Ianao.10 Ianareo izay tia an’ i Jehovah, mankahalà ny ratsy; Miaro ny fanahin’ ny olony masina Izy Ary mamonjy azy amin’ ny tanan’ ny ratsy fanahy.11 Ny fahazavana no voafafy ho an’ ny marina, Ary ny fifaliana ho an’ ny mahitsy fo.12 Mifalia amin’ i Jehovah, ry olo-marina, Ary miderà ny anarany masina.
SALAMO 97 :7-12

MANANA  HAFATRA  HO  ANTSIKA NY TOMPO  MPANJAKA

Eto  amin’ity Salamo ity  dia misongadina  ny maha-Mpanjaka  an’ Andriamanitra. Mitodika  amin’ny sokajin’olona roa ny hafatra:

1-Ho an’ireo  izay manompo sampy (and 7)

« Aoka  ho menatra  izay rehetra manompo sampy » (and 7-) DIEM. Asehon’ny mpanoratra  etoana fa tsy   azo ampitahaina  velively  amin’Ilay Andriamanitra  Avo  indrindra ambonin’ny tany rehetra  ny sampy  sy ny andriamani-tsy izy  izay tsinotsinona (and9). Mampalahelo fa ankehitriny  dia toa miha-mahazo vahana  ny fanompoan-tsampy. Ambaran’ny mpanao salamo  fa ny olona mbola manompo sampy  dia olona  mirehareha amin’ny zava-tsinotsinona. Voararan’ny didy folo  ny fanompoan-tsampy. Aoka  ho  menatra   izay rehetra manompo sampy  ka hiala  amin’izany. Aoka  kosa  tsy ho menatra  fa ho sahy, izay rehetra mijoro  ho vavolombelon’ny Tompontsika .

2-Ho an’ireo  izay tia an’i Jehovah (and 10)

 « ianareo  izay fatra-pitia ny Tompo, mankahalà  ny ratsy » (DIEM). Anarina  kosa ireo  izay  tia sy  manompo  an’i Jehovah  mba tsy hanao ratsy. Na dia  manenjika  aza ny fahavalo  sy izay ta-hanisy ratsy  , ny olona manao  ny marina eo anatrehan’ Andriamanitra  dia hamirapiratra  mandrakariva  ny  fiainany ary  izany  no mitarika  azy hifaly  sy hidera an’ Andriamanitra . Miaro  ny ain’ireo  izay mivavaka Aminy ny Tompo  ka manafaka  azy  tsy ho azon’ny fahavalo  sy izay ta-hanisy ratsy. Fahamarinana  sy  fitsarana   no fanorenan’ny seza fiandrianany .

Fanontaniana:

Kristiana hono  izy, kanefa miafina manompo sampy, nahoana?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !