MOFON’AINA ALAKAMISY 24 JONA 2021

1 Ary rehefa nandeha namaky an’ i Amfipolia sy Apolonia izy, dia tonga tao Tesalonika, ary nisy synagogan’ ny Jiosy tao.2 Ary Paoly dia niditra tao araka ny fanaony; ary Sabata telo no niadiany hevitra avy amin’ ny Soratra Masina tamin’ ny olona tao.3 Dia nanambara izy ka naneho marimarina fa tsy maintsy nijaly sy nitsangana tamin’ ny maty Kristy; ary Jesosy, Izay toriko aminareo, hoy izy, no Kristy.4 Ary ny sasany tamin’ ireo dia nino ka nanampy ho isan’ ny mpianatr’ i Paoly sy Silasy, ary maro be koa tamin’ ny jentilisa izay mpivavaka, ary tsy vitsy tamin’ ny vehivavy nanan-kaja.5 Fa nialona ny Jiosy ka naka olona ratsy fanahy teny an-tsena ary nahavory vahoaka betsaka, dia nampitabataba ny tanàna ka namely ny tranon’ i Jasona ary nitady hamoaka azy roa lahy ho ao amin’ ny olona.6 Ary raha tsy nahita azy roa lahy izy, dia nisarika an’ i Jasona sy ny rahalahy sasany ho ao amin’ ny lehiben’ ny tanàna ka niantso mafy hoe: Tongay atỳ koa ireo lehilahy namadika izao tontolo izao ireo;7 ary efa nampandrosoin’ i Jasona izy, ka izy rehetra ireo manohitra ny tenin’ i Kaisara, satria izy milaza fa misy mpanjaka hafa, dia Jesoa.
ASAN’NY APOSTOLY 17: 1-7

NY FILAZANTSARAN’I KRISTY

1- Tsy anavahana na iza na iza

Rehefa tonga tao Tesalonika i Paoly dia namangy ny synagoga nisy tao araka ny efa fiainany sy fanaony. Niady hevitra momban’ny Soratra Masina izy ary tonga hatramin’ny fitoriana ny amin’ny Jesoa Kristy. Nambarany fa Ilay Mesia voasoratra araka ny Soratra Masina dia tsy iza, fa Jesoa Kristy izay tsy maintsy hijaly, maty ary hitsangana amin’ny maty. Marobe ny olona resy lahatra: nisy Jiosy sy Jentilisa, ary asongadina manokana eto fa nisy vehivavy fanta-daza tamin’ireo. Fa anio isika izay manaraka izao tantara izao. Mba isan’izay mino ve sa isan’izay tsy mino? Tsy manavaka ny Filazantsara raha tena mino isika . Jesoa Kristy dia natolotra hamonjy antsika rehetra na lahy na vavy, na inona saranga na inona fiaviantsika. « Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny Zanany lahy tokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay ». (Jao 3: 16)

2- Misedra fanenjehana

Hitantsika eto fa nahatonga fialonana avy tamin’ny mpitarika Jiosy ny fahombiazan’i Paoly tamin’ny fitoriana ny Filazantsara marina. Ny asan’ny ratsy fanahy no fahavalo tonga voalohany rehefa hitany fa misy ny voasarika ho an’i Kristy. Nampiasainy ny olona ratsy fanahy hanatanteraka fanakorontanana. Efa fomba fiasan’ny olona izany any anaty Fiangonana. Rehefa tsy tiany ny mpitory Filazantsara dia miantso ireo olona tsy hita nivavaka hatramin’izay izy entina mba hanakorontana ny Fiangonana. Tsy zava-baovao araka izany ny fanenjehana sy ny fanakiviana ny mpitory Filazantsara. Misy hatrany koa anefa ny olona tahaka an’i Jaona mikarakara sy mijery ny mpitory Filazantsara. Ary mila manontany tena isika na ilay mpanenjika na ilay mpanampy. Hoy i Jesoa:  » Izay mandray anareo dia mandray Ahy, ary izay mandray Ahy dia mandray izay naniraka Ahy« . (Mat. 10. 40)

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.